Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 5:13 - Baiboly Katolika

fa misy lehilahy hafa miray aminy, nefa zavatra miafina amin’ny mason’ny lahy izany, fa mangingina no anaovan-dravehivavy fahalotoana, tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

satria nisy lehilahy nandry taminy, saingy tsy hitan’ny lahy fa miafina Ravehivavy ka voaloto, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy ary tsy nisy izay nahatratra azy,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

lehilahy hafa no nanao firaisana taminy ka nandoto azy, nefa tsy hitan’ny lahy izy fa niafina sady tsy misy vavolombelona hiampanga azy no tsy tratra am-bodiomby koa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

lehilahy hafa no nanao firaisana taminy ka nandoto azy, nefa tsy hitan’ny lahy izy fa niafina sady tsy misy vavolombelona hiampanga azy no tsy tratra am-bodiomby koa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan’ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tànana izy;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan'ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

satria nisy lehilahy nandry taminy, saingy tsy hitan’ny lahy fa miafina Ravehivavy ka voaloto, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy ary tsy nisy izay nahatratra azy,

Jereo ny toko



Nomery 5:13
6 Rohy Ifampitohizana  

Toy izao no lalan’ny vehivavy mpaka vadin’olona: Mihinana izy, dia mamafa ny vavany, ka manao hoe: «Tsy nanao ratsy aho.»


Nentiny any aminy any, ny kitapom-bola.»


Nitoky amin’ny sabatrareo ianareo, nanao fahavetavetana, samy nanala baraka ny vadin’ny namany avy, ka hanana ny tany va?


Aza mikambana amin’ny vadin’ny namanao, handoto tena aminy.


Raha misy lehilahy maka vadin’olona, ka mandry amin’ny vadin’ny namany, dia hatao maty izy ireo ho valin’izany, na ralehilahy naka vadin’olona na ravehivavy nalainy.