ny fefy lamban’ny kianja manodidina ny Fonenana sy ny ôtely, ary ny kofehy amam-panaka rehetra momba azy; dia izy ireo no hanao ny fanompoana rehetra momba izany.
Nomery 4:27 - Baiboly Katolika I Aarôna sy ny zanany no handahatra ny raharaha rehetra hataon’ny taranaky ny Gersônita momba ny zavatra rehetra hoentiny sy ny zavatra rehetra hataony; homenareo hotandremany ny zavatra rehetra tsy maintsy entiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Araka ny tenin’i Arona sy ireo zanany no hanaovan’ny Gersonita ny fanompoany amin’ny fitondrana ny entana sy ny fanompoany rehetra; hatolotrao azy ho anjara raharahany ny zavatra rehetra izay entiny. DIEM PROTESTANTA Araka ny baikon’i Aharôna sy ny zanany no hanaovan’ny Gersônita ny asa fanompoany, na momba ny fitondrana ireo entana izany, na momba ny fanatanterahana ny asa. Izy telo mianaka no hiteny aminy izay tokony hataony sy izay tokony hoentiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Araka ny baikon’i Aharôna sy ny zanany no hanaovan’ny Gersônita ny asa fanompoany, na momba ny fitondrana ireo entana izany, na momba ny fanatanterahana ny asa. Izy telo mianaka no hiteny aminy izay tokony hataony sy izay tokony hoentiny. Baiboly Protestanta Malagasy Araka ny tenin’i Arona sy ny zanany no hanaovan’ny Gersonita ny fanompoany amin’ny entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny. Malagasy Bible Araka ny tenin'i Arona sy ny zanany no hanaovan'ny Gersonita ny fanompoany amin'ny entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny. La Bible en Malgache Araka ny tenin’i Arona sy ireo zanany no hanaovan’ny Gersonita ny fanompoany amin’ny fitondrana ny entana sy ny fanompoany rehetra; hatolotrao azy ho anjara raharahany ny zavatra rehetra izay entiny. |
ny fefy lamban’ny kianja manodidina ny Fonenana sy ny ôtely, ary ny kofehy amam-panaka rehetra momba azy; dia izy ireo no hanao ny fanompoana rehetra momba izany.
Izany no fanompoan’ny fianakavian’ny zanaky ny Gersônita amin’ny trano lay fihaonana, izany no raharahany eo ambanin’ny fitandreman’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona.
araka ny nolazainy tamin’ny vavan’ireo mpaminaniny masina hatramin’ny andro tany aloha,
Midera anareo aho, fa sady mahatsiaro ahy amin’ny zavatra rehetra ianareo no mitana tsara ny fampianarako, araka ny nanomezako azy anareo.