«Ny hanaovana ny Fonenana dia ambainy folo; ny hanaovana azy ireo dia amin’ny rongony madinika voahasina, sy amin’ny jaky volomparasy, amin’ny kajy mangatrakatraka, ary amin’ny lamba mena antitra, asiana kerobima, asan-tanan’ny mpanenona mahay.
Nomery 4:25 - Baiboly Katolika Hitondra ny ambain’ny Fonenana sy ny trano lay fihaonana izy, mbamin’ny firakony sy ny sarona hodi-dogaona izay fanao eo amboniny, ny varavarana lamba izay eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny ambain’ny tabernakely sy ny tranolay fihaonana, ny rakotra sy ny sarona hoditra trozona izay eo amboniny, ny varavarana lamba amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, DIEM PROTESTANTA hitondra ny lamba mandrakotra ny Fonena-masina ny Tranolay fihaonana, ny rakotra lambam-baravarana fidirana eo amin’ny Tranolay fihaonana, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara hitondra ny lamba mandrakotra ny Fonena-masina ny Tranolay fihaonana, ny rakotra lambam-baravarana fidirana eo amin’ny Tranolay fihaonana, Baiboly Protestanta Malagasy ny ambain’ny tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana, Malagasy Bible ny ambain'ny tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, La Bible en Malgache Ny ambain’ny tabernakely* sy ny tranolay fihaonana, ny rakotra sy ny sarona hoditra trozona izay eo amboniny, ny varavarana lamba amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, |
«Ny hanaovana ny Fonenana dia ambainy folo; ny hanaovana azy ireo dia amin’ny rongony madinika voahasina, sy amin’ny jaky volomparasy, amin’ny kajy mangatrakatraka, ary amin’ny lamba mena antitra, asiana kerobima, asan-tanan’ny mpanenona mahay.
«Hanao rakony hoditr’ondralahy voasoka mena ianao hatao amin’ny lay, ary rakony hodi-dogaona koa eo ambonin’io.»
Novelariny ny lay teo ambonin’ny Fonenana, ary nataony teo ambony ny firakotry ny lay, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Fa apetraho aminy kosa ny fikarakarana ny Fonenan’ny vavolombelona mbamin’ny fanaka aman-javatra rehetra momba azy. Izy ireo no hitondra ny Fonenana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy; izy no hanao ny fanompoana ao aminy; ary izy no hitoby manodidina ny Fonenana.
Izao no fanompoana hataon’ny fokon’ny Gersônita, dia ny anjara raharahany sy ny anjara entany:
ary hodi-dogaona no harakony eo ambonin’io; lamba jaky volomparasy iray volo no hovelariny ambonin’izay; izay vao hapetany eo ny baony.