«Hanao fanaovan-jiro amin’ny volamena madio ianao; hataonao an-tefiny avokoa izy mbamin’ny faladiany sy ny tahony, ary fonjany iray ihany ny ravim-boninkazo, ny bokony ary ny voniny,
Nomery 4:10 - Baiboly Katolika ary hataony ao anatin’ny firakotra hodi-dogaona izy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, vao hapetrany eo ambonin’ny filanjana izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin’ny sarona hoditra trozona ka hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy. DIEM PROTESTANTA Hataony ao anaty saronan-koditra mafy izany ka hapetrany amin’ny filanjana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hataony ao anaty saronan-koditra mafy izany ka hapetrany amin’ny filanjana azy. Baiboly Protestanta Malagasy ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony eo anatin’ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin’ny filanjana azy. Malagasy Bible ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin'ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy. La Bible en Malgache ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin’ny sarona hoditra trozona ka hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy. |
«Hanao fanaovan-jiro amin’ny volamena madio ianao; hataonao an-tefiny avokoa izy mbamin’ny faladiany sy ny tahony, ary fonjany iray ihany ny ravim-boninkazo, ny bokony ary ny voniny,
Ny ôtely volamena dia hovelariny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona vao hametahany ny baony.
Halainy ny fanaka rehetra fanaovana ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, ka hataony ao anatin’ny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona, vao hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy.
ary hodi-dogaona no harakony eo ambonin’io; lamba jaky volomparasy iray volo no hovelariny ambonin’izay; izay vao hapetany eo ny baony.
Haka lamba jaky volomparasy izy ireo handrakofany ny fanaovan-jiro mbamin’ny lalampiny, ny hetin-jirony, ny fitoeran-davenon-jirony, ny fitoeran-diloilo fanao aminy, sy izay ilaina aminy;