Ka izao no faritany hatramin’ny ranomasina: Hatzera-Henôna, ny sisin-tanin’i Damasa, ary avy eo mandroso mianavaratra hatrany amin’ny sisin-tanin’i Hamata. Izany no lafiny avaratra.
Nomery 34:9 - Baiboly Katolika dia hitohy amin’ny Jefrôna sy ho tafapaka any Hatsar-Enàna: Izany no ho faritrareo amin’ny avaratra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia hahazo an’i Zifrona ka hipaka hatrany Hazara-Enana; izany no ho sisintaninareo avaratra. DIEM PROTESTANTA Dia hitohy hatrany Zifrôna izany ka hiafara any Hatsara-Heinàna. Izany no sisin-taninareo any avaratra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hitohy hatrany Zifrôna izany ka hiafara any Hatsara-Heinàna. Izany no sisin-taninareo any avaratra. Baiboly Protestanta Malagasy dia hahazo an’i Zifrona, ka dia hihatra an’i Hazar-enana; izany no ho fari-taninareo avaratra. Malagasy Bible dia hahazo an'i Zifrona, ka dia hihatra an'i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra. La Bible en Malgache dia hahazo an’i Zifrona ka hipaka hatrany Hazara-Enana; izany no ho sisintaninareo avaratra. |
Ka izao no faritany hatramin’ny ranomasina: Hatzera-Henôna, ny sisin-tanin’i Damasa, ary avy eo mandroso mianavaratra hatrany amin’ny sisin-tanin’i Hamata. Izany no lafiny avaratra.
Izao no anaran’ny foko: Hatramin’ny tendrony avaratra manaraka ny lalan’i Hetalôna ho any Hamata, Hatzera-Enôna, ny sisin-tanin’i Damasa mianavaratra, manaraka ny lavan’i Hamata, izao avy no ho an’ny isam-poko: hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Dana.
avy ao an-tendrombohitra Hôra, dia hofaritanareo mankao amin’ny vavahadin’i Hamata ka tonga hatrany Sedada io faritra io;