Fa indro hanangana hamely anareo Aho, ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika - hanangana firenena anankiray hampahory anareo, hatrany amin’ny hadilalan’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’ny efitra.
Nomery 34:7 - Baiboly Katolika Izao no sisin-taninareo amin’ny avaratra. Avy ao amin’ny ranomasina Lehibe, dia hofaritanareo mihazo any an-tendrombohitra Hôra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no ho sisintaninareo avaratra: Hatreo amin’ny Ranomasina Lehibe dia ny tendrombohitra Hora no hotandrifìnareo; DIEM PROTESTANTA «Any avaratra dia hofaritanareo ny sisin-tany manomboka amin’ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany amin’ny tendrombohitra Hôra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Any avaratra dia hofaritanareo ny sisin-tany manomboka amin’ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany amin’ny tendrombohitra Hôra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin’ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo; Malagasy Bible Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin'ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo; La Bible en Malgache Izao no ho sisintaninareo avaratra: Hatreo amin’ny Ranomasina Lehibe dia ny tendrombohitra Hora no hotandrifìnareo; |
Fa indro hanangana hamely anareo Aho, ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika - hanangana firenena anankiray hampahory anareo, hatrany amin’ny hadilalan’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’ny efitra.
Niala tao Kadesy izy, dia nitoby tany an-tendrombohitra Hôra, tao an-tsisin’ny tany Edôma.
Ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia ny efitra Sina, hatrany Edôma, ka ny faritrareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasin-tSira any atsinanana,
Ny faritra andrefana kosa, dia ny ranomasina Lehibe no ho faritrareo; io no hamaritra anareo amin’ny andrefana.