Dia niakatra izy ireo, ka nisafo ny tany hatrany amin’ny efitra Sina, ka hatrany Rohoba, amin’ny lalan’i Hemata.
Nomery 34:4 - Baiboly Katolika dia miolaka mianatsimo amin’ny fiakarana Akrabima ny faritrareo, dia mandalo any Sina, mandroso hatrany atsimon’i Kadesy-Barne, mitohy amin’ny Hatsar-Adara, mihazo any Asemôna, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia miolaka eo atsimon’ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon’i Kadesy-Barnea, dia mahazo an’i Hazara-Adara ka mandroso hatrany Azmona; DIEM PROTESTANTA avy eo dia miolaka eo atsimon’ny fiakaran’i Akrabima, dia mandalo an’i Tsina, dia mahazo ny atsimon’i Kadesy-Barnea sy mipaka any Hatsara, ary mitohy hatrany Hatsemôna; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara avy eo dia miolaka eo atsimon’ny fiakaran’i Akrabima, dia mandalo an’i Tsina, dia mahazo ny atsimon’i Kadesy-Barnea sy mipaka any Hatsara, ary mitohy hatrany Hatsemôna; Baiboly Protestanta Malagasy dia miolaka eo atsimon’ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon’i Kadesi-barnea, dia mahazo an’i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona, Malagasy Bible dia miolaka eo atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon'i Kadesibarnea, dia mahazo an'i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona, La Bible en Malgache dia miolaka eo atsimon’ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon’i Kadesy-Barnea, dia mahazo an’i Hazara-Adara ka mandroso hatrany Azmona; |
Dia niakatra izy ireo, ka nisafo ny tany hatrany amin’ny efitra Sina, ka hatrany Rohoba, amin’ny lalan’i Hemata.
Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy i Aarôna, mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, tao Kadesy tany an’efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy.
Tonga tao amin’ny efitra Sina, tamin’ny volana voalohany, ny zanak’i Israely, dia ny fiangonana manontolo, ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Maria sy nandevenana azy. Fa ny hany teo akaikin’ny Fiara, dia ny Levita sy Hebrio sasantsasany ihany.
Mova tsy izao koa no nataon’ny rainareo, fony aho naniraka azy avy tany Kadesa-Barne hisafo ny tany.
Ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia ny efitra Sina, hatrany Edôma, ka ny faritrareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasin-tSira any atsinanana,
Ny anjara lasan’ny fokon-taranak’i Jodà, araka ny fianakaviany, tamin’ny filokana, dia nitatra hatrany amin’ny faritanin’i Edôma hatrany amin’ny efitra Sina any atsimo any amin’ny farany atsimo.