Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 34:3 - Baiboly Katolika

Ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia ny efitra Sina, hatrany Edôma, ka ny faritrareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasin-tSira any atsinanana,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia hatramin’ny tany efitra Zina, izay mifanolotra amin’i Edoma. Ny sisintaninareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasintsira,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Any atsimo, ny taninareo dia voafaritry ny taniefitra Tsina sy ny tanin’i Edôma. Izany dia manomboka avy eo atsinanana ao amin’ny tendrony atsimon’ny Ranomasina Maty;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Any atsimo, ny taninareo dia voafaritry ny taniefitra Tsina sy ny tanin’i Edôma. Izany dia manomboka avy eo atsinanana ao amin’ny tendrony atsimon’ny Ranomasina Maty;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia hatramin’ny efitra Zina, izay mifanolotra amin’i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasin-tsira any atsinanana,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny lafiny atsimo amin'ny taninareo dia hatramin'ny efitra Zina, izay mifanolotra amin'i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira any atsinanana,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia hatramin’ny tany efitra Zina, izay mifanolotra amin’i Edoma. Ny sisintaninareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasintsira,

Jereo ny toko



Nomery 34:3
9 Rohy Ifampitohizana  

Nivory tao an-dohasahan’i Sidima, dia ny Ranomasin-tSira izany, ireto farany ireto;


Izao no hataoko faritaninao: hatramin’ny Ranomasina Mena ka hatramin’ny ranomasin’ny Filistinina, ary hatramin’ny efitra ka hatramin’ny ony, satria hatolotro eo an-tananao ny mponina amin’ny tany ka horoahinao hiala eo anoloanao.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Lohasaha iray no ho faritry ny tany horaisinareo ho zarataninareo araka ny foko 12 amin’i Israely; anjaran-droa no ho an’i Josefa.


Hoy izy tamiko: «Ity rano ity dia mandeha mankany amin’ny faritany atsinanana; hidina ho any amin’ny tany lemaka vao hiditra ho ao amin’ny ranomasina; hoentiny mankany amin’ny ranomasina izy, dia ho tonga mahasalama ny rano.


Dia niakatra izy ireo, ka nisafo ny tany hatrany amin’ny efitra Sina, ka hatrany Rohoba, amin’ny lalan’i Hemata.


Hatramin’ny efitra sy hatramin’io Libàna io ka hatramin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, dia ny tanin’ny Heteanina rehetra, ary hatramin’ny ranomasina lehibe any amin’ny fisitrihan’ny masoandro, no ho faritaninareo.


dia nihandrona ny rano midina avy any ambony, ka niavosa hoatra ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, akaikin’ny tanànan’i Adoma, izay anilan’i Sartàna, ary tapaka mihitsy ny midina mankany amin’ny Ranomasina Arabaha, dia ny Ranomasin-tSira, ka nita tandrifin’i Jerikô ny vahoaka.