Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 33:3 - Baiboly Katolika

Niala tao Ramsesa tamin’ny volana voalohany izy, tamin’ny andro faha-15n’ny volana voalohany. Ny ampitson’ny Paka dia tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely teo imason’ny Ejiptianina rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Niala tao Ramesesa izy ireo tamin’ny volana voalohany, dia tamin’ny andro fahadimy amby folo tamin’ny volana voalohany. Ny ampitson’ny Paska no nivoahan’ny Zanak’Israely tamin’ny fahafahana tanteraka, teo imason’ny Ejiptiana rehetra,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Niala teo Ramsesa ny Israelita tamin’ny volana voalohany, andro faha-19. Ny ampitson’ny andro Paska voalohany no niaingan’ny Israelita amin-kalalahana teo imason’ny Ejiptianina rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Niala teo Ramsesa ny Israelita tamin’ny volana voalohany, andro faha-19. Ny ampitson’ny andro Paska voalohany no niaingan’ny Israelita amin-kalalahana teo imason’ny Ejiptianina rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Niala tao Ramesesa izy tamin’ny volana voalohany, dia tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folo tamin’ny volana voalohany; nony ampitson’ny Paska no nivoahan’ny Zanak’Isiraely tamin’ny tànana avo teo imason’ny Egyptiana rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Niala tao Ramesesa Izy tamin'ny volana voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tanana avo teo imason'ny Egyptiana rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Niala tao Ramesesa izy ireo tamin’ny volana voalohany, dia tamin’ny andro fahadimy amby folo tamin’ny volana voalohany. Ny ampitson’ny Paska no nivoahan’ny Zanak’Israely tamin’ny fahafahana tanteraka, teo imason’ny Ejiptiana rehetra,

Jereo ny toko



Nomery 33:3
10 Rohy Ifampitohizana  

Koa nampiorim-ponenana an-drainy sy ny rahalahiny i Josefa ka nanome azy zara tany, eo amin’ny tany Ejipta, dia ny tsara indrindra amin’ny tany, ao amin’ny faritanin’i Ramsesa, araka ny teny nomen’i Faraôna azy.


Nifaly tamin’ny nahalasanany ny Ejiptianina, satria nahazo an’ireo ny fahatahorana an’i Israely.


Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an’i Israely izy, mba hamoritra azy amin’ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna, natao fitahirizan-javatra ho an’i Faraôna dia Pitaoma sy Ramsesa.


«Ity volana ity no aoka ho fiandoham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ny taona izany ho anareo.


«Niala tao Ramsesa ny zanak’i Israely dia nankany Sokôta; sahabo ho enina hetsy izy no olona mandeha an-tongotra afa-tsy ny ankizy.


Izao andro ivoahanareo izao dia volam-pahavokaram-bary.


Nohamafisin’i Iaveh ny fon’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, ka nanenjika ny zanak’i Israely i Faraôna, ary tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely.


Fa tsy hikoropaka no hivoahanareo, ary tsy handositra no ho fandehanareo; fa i Iaveh no mandeha eo alohanareo, ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo!»


Miakatra eo alohan’izy ireo, ny mpanabanga. Izy ireo koa manabanga, miditra ny vavahady, ary mivoaka aminy koa; ny mpanjaka no mandroso eo anoloany, ary i Iaveh no mitarika azy.


Nalatsak’i Môizy an-tsoratra ny toerana niaingana araka ny nitobiany manaraka ny didin’i Iaveh, ka izao avy no nitobiany araka ny niaingany: