raha ny lehilahy rehetra mitam-piadiana ao aminareo no hita an’i Jordany eo anatrehan’i Iaveh, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anatrehany,
Nomery 32:20 - Baiboly Katolika Dia hoy i Môizy tamin’izy ireo: «Raha izany àry no ataonareo ka hioman-kiady eo anatrehan’i Iaveh ianareo, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana hanafika eo anatrehan’NY TOMPO, DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Mosesy tamin’ny Reobenita sy ny Gadita: –Raha izany no ataonareo, dia raiso ny fiadianareo mba hiantafika eo ambany fifehezan’ny TOMPO; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Mosesy tamin’ny Reobenita sy ny Gadita: –Raha izany no ataonareo, dia raiso ny fiadianareo mba hiantafika eo ambany fifehezan’ny TOMPO; Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany hianareo ka hiomana eo anatrehan’i Jehovah ho any an-tafika, Malagasy Bible Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan'i Jehovah ho any an-tafika, La Bible en Malgache Dia hoy i Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana hanafika eo anatrehan’NY TOMPO, |
raha ny lehilahy rehetra mitam-piadiana ao aminareo no hita an’i Jordany eo anatrehan’i Iaveh, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anatrehany,
Ary izao no teny nataon’i Jôsoe, tamin’ny Robenita sy ny Gadita, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase:
Dia nantsoin’i Jôsoe tamin’izay ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase,
Dia nandao ny zanak’i Israely tao Silô amin’ny tany Kanaana ny fokon-dRobena sy ny fokon’i Gada, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nody nankany amin’ny tany Galaada izay efa noraisiny ho zara taniny araka ny nandidian’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.