Dia nanakaiky an’i Môizy izy ireo, ka nanao hoe: «Hanao vala ho an’ny biby fiompinay eto izahay, sy tanàna ho an’ny zanakay madinika,
Nomery 32:17 - Baiboly Katolika fa ny tenanay kosa dia vonon-kiady faingana handroso eo alohan’ny zanak’i Israely, mandra-pampiditray azy any amin’ny tany izay tsy maintsy hitoerany; fa ny zanakay no hitoetra amin’ny tanàna mimanda, noho ny amin’ny mponina amin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa ny tenanay dia handray fiadiana haingana ka hilahatra hiady eo alohan’ny Zanak’Israely, mandra-pitondranay azy ho any amin’ny taniny; ary ny zanakay madinika kosa dia hitoetra amin’ny tanàna mimanda noho ny amin’ny mponina eo amin’ny tany. DIEM PROTESTANTA ary avy eo dia handray fiadiana faingana ka handeha eo alohan’ny Israelita mandra-panatitray azy any aminy, fa ny fianakavianay kosa hijanona ao amin’ny tanàna mimanda mba ho voaaro amin’ny mponina eto amin’ny faritany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary avy eo dia handray fiadiana faingana ka handeha eo alohan’ny Israelita mandra-panatitray azy any aminy, fa ny fianakavianay kosa hijanona ao amin’ny tanàna mimanda mba ho voaaro amin’ny mponina eto amin’ny faritany. Baiboly Protestanta Malagasy fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan’ny Zanak’Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin’ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin’ny tanàna mimanda noho ny mponina amin’ny tany. Malagasy Bible fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin'ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin'ny tanàna mimanda noho ny mponina amin'ny tany. La Bible en Malgache fa ny tenanay dia handray fiadiana haingana ka hilahatra hiady eo alohan’ny Zanak’Israely, mandra-pitondranay azy ho any amin’ny taniny; ary ny zanakay madinika kosa dia hitoetra amin’ny tanàna mimanda noho ny amin’ny mponina eo amin’ny tany. |
Dia nanakaiky an’i Môizy izy ireo, ka nanao hoe: «Hanao vala ho an’ny biby fiompinay eto izahay, sy tanàna ho an’ny zanakay madinika,