Nomery 3:40 - Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Alao isa ny lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely, hatramin’ny iray volana no ho miakatra, ka isao ny anarany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Isao ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely hatramin’ny iray volana no ho miakatra ka alao isa araka ny anarany. DIEM PROTESTANTA Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Isao ny lahimatoa rehetra, eo amin’ny Israelita, dia izay feno iray volana no ho miakatra, ka ataovy lisitra ny anarany: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Isao ny lahimatoa rehetra, eo amin’ny Israelita, dia izay feno iray volana no ho miakatra, ka ataovy lisitra ny anarany: Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Isiraely hatramin’ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely hatramin'ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany. La Bible en Malgache Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Isao ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely hatramin’ny iray volana no ho miakatra ka alao isa araka ny anarany. |
Ka izay ho tafajanona ao Siôna, sy izay ho voatsimbina ao Jerosalema hantsoina hoe masina; dia izay rehetra voasoratra ao Jerosalema mba ho an’ny fiainana.»
«Indro efa nalaiko ho Ahy eo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita, ho solon’ny lahy matoa izay voalohan-teraky ny reniny ao amin’ny taranak’i Israely, ka dia Ahy ny Levita;
«Alao isa, araka ny fokom-pianakaviany, araka ny fianakaviany avy, ny taranak’i Levỳ, ka ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra no isao.»
Dia ny Levita no alainao ho Ahy, fa Izaho no Iaveh, dia ho solon’ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra izy; ary ny biby fiompin’ny Levita, ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny zanak’i Israely.»
«Alao ny Levita ho solon’ny lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely; ary ny biby fiompin’ny Levita ho solon’ny biby fiompiny koa, ka dia ho Ahy ny Levita; Izaho no Iaveh.
Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.»
Ary ianao kosa, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, dia mangataka aminao aho mba hanampy azy roa vavy amin’izany koa, fa izy ireo no niara-niady tamiko teo amin’ny Evanjely, dia izy sy i Clément mbamin’ireo mpiara-miasa amiko sisa, izay efa ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.
Tsara orina anefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra, sady voaisy tombokase hoe: Fantatry ny Tompo ny Azy, sy hoe: Aoka hiala amin’ny ratsy izay rehetra manonona ny Anaran’ny Tompo.
ny fiangonan’ny zokinareo izay voasoratra any an-danitra, ny Mpitsara izay Andriamanitry ny olon-drehetra, ny fanahin’ny olo-marina efa amin’ny fanaperana,
Ireo no tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy, fa virjiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany. Ireo no navotana avy amin’ny olona, ho santatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry;
Izay handresy dia hampitafina lamba fotsy toy izany koa; ary tsy hamono ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana Aho, fa hankalaza ny anarany eo anatrehan’ny Raiko, sy eo anatrehan’ny Anjeliny.