Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 3:31 - Baiboly Katolika

Ary ny anjara raharahany dia fiambenana ny fiara, ny latabatra, ny fanaovan-jiro, ny ôtely, ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoana, ny varavarana lamba mbamin’ny fanaovan-draharaha rehetra momba azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny anjara raharahany dia ny vata misy ny Vavolombelona, ny latabatra, ny fitoeran-jiro, ny alitara roa sy ireo fanaky ny fitoerana masina, izay ampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana, ary koa ny varavarana lamba mbamin’izay zavatra rehetra momba azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny Kehatita no miandraikitra ny Vatamasina, ny latabatra masina, ny fitoeran-jiro sy ny alitara roa ary ny fanaky ny Toeramasina izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Kehatita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny Kehatita no miandraikitra ny Vatamasina, ny latabatra masina, ny fitoeran-jiro sy ny alitara roa ary ny fanaky ny Toeramasina izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Kehatita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin’ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin'ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny anjara raharahany dia ny vata misy ny Vavolombelona, ny latabatra, ny fitoeran-jiro, ny alitara roa sy ireo fanaky ny fitoerana masina, izay ampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana, ary koa ny varavarana lamba mbamin’izay zavatra rehetra momba azy.

Jereo ny toko



Nomery 3:31
15 Rohy Ifampitohizana  

Hazo akasià no nanaovan’i Beseleela ny fiara: roa hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.


Napetrany teo anelanelan’ny trano lay fihaonana sy ny ôtely ny tavy, dia nasiany rano ho fiafanana;


Ny filohan’ny foko iavian’ireo fianakavian’ny Kaatita, dia Elisafàna zanak’i Oziela.


I Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona no lehiben’ny filohan’ny Levita, ka izy no mpitandrina an’ireo miandraikitra ny fiambenana ny fitoerana masina.


ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano.


Tamin’izany andro izany no nanokanan’i Iaveh ny fokon’i Levỳ hitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh sy hitoetra eo anatrehan’i Iaveh, hanompo Azy ary hitso-drano amin’ny Anarany, mandraka androany.