«Atokàny ho Ahy ny lahy matoa rehetra, izay lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely, na olona na biby fa Ahy izany.»
Nomery 3:12 - Baiboly Katolika «Indro efa nalaiko ho Ahy eo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita, ho solon’ny lahy matoa izay voalohan-teraky ny reniny ao amin’ny taranak’i Israely, ka dia Ahy ny Levita; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro Aho efa naka ny levita avy tamin’ny Zanak’Israely ho solon’ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin’ny Zanak’Israely, koa Ahy ny levita. DIEM PROTESTANTA –Indro Aho efa nifidy ny Levita tamin’ny Israelita rehetra ho solon’ny lahimatoa rehetra voalohan-teraka aminy; koa dia Ahy ny Levita, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Indro Aho efa nifidy ny Levita tamin’ny Israelita rehetra ho solon’ny lahimatoa rehetra voalohan-teraka aminy; koa dia Ahy ny Levita, Baiboly Protestanta Malagasy Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin’ny Zanak’Isiraely ho solon’ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin’ny Zanak’Isiraely: dia Ahy ny Levita Malagasy Bible Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin'ny Zanak'Isiraely ho solon'ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin'ny Zanak'Isiraely: dia Ahy ny Levita, La Bible en Malgache Indro Aho efa naka ny levita avy tamin’ny Zanak’Israely ho solon’ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin’ny Zanak’Israely, koa Ahy ny levita. |
«Atokàny ho Ahy ny lahy matoa rehetra, izay lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely, na olona na biby fa Ahy izany.»
Indro efa nalaiko teo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita rahalahinareo. Efa natolotra an’i Iaveh izy ka atolotra aminareo ho fanomezana, mba hanao ny raharahan’ny trano lay fihaonana.
Dia ny Levita no alainao ho Ahy, fa Izaho no Iaveh, dia ho solon’ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra izy; ary ny biby fiompin’ny Levita, ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny zanak’i Israely.»
«Alao ny Levita ho solon’ny lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely; ary ny biby fiompin’ny Levita ho solon’ny biby fiompiny koa, ka dia ho Ahy ny Levita; Izaho no Iaveh.
Fa efa nomena Ahy mihitsy izy eo afovoan’ny zanak’i Israely; nalaiko ho Ahy, ho solon’ny lahy rehetra voalohan-teraky ny reniny izy,