Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 28:8 - Baiboly Katolika

Ny zanak’ondry iray haterina amin’ny àty takariva; hataonao toy ny nanaovana ny fanatitra tamin’ny maraina, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra mahafinaritra amin’i Iaveh.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny zanak’ondry faharoa kosa dia hatolotrao amin’ny hariva milenti-masoandro; fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra aidina, tahaka ny atao amin’ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny zanak’ondry faharoa kosa dia hatolotra ho an’ny TOMPO amin’ny hariva, ka hampiarahina amin’ireo fanatitra lafarinina sy divay toy ny tamin’ny maraina; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny zanak’ondry faharoa kosa dia hatolotra ho an’ny TOMPO amin’ny hariva, ka hampiarahina amin’ireo fanatitra lafarinina sy divay toy ny tamin’ny maraina; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny zanak’ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny zanak’ondry faharoa kosa dia hatolotrao amin’ny hariva milenti-masoandro; fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra aidina, tahaka ny atao amin’ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Nomery 28:8
6 Rohy Ifampitohizana  

Hosasany amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray hatolotry ny mpisorona sy hodorany hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.


Izay vao hosamahiny amin’ny elany ny vorona, tsy hatao hentitra, dia hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny kitay hazo voatohoka amin’ny afo. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.


Sasana amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray doran’ny mpisorona hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.


Ny fanatitra araraka momba azy dia ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray, ka ao amin’ny fitoerana masina, no hanaovanao ny fanatitra araraka amin’ny divay madio ho an’i Iaveh


«Amin’ny andro sabata kosa, dia zanak’ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, no haterinao, ary lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.


Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.