Aoka hatolotra ho amin’ny fandringanana ny taranany, ary aoka ho mati-maso amin’ny taranaka faharoa ny anarany!
Nomery 27:4 - Baiboly Katolika Ka raha saingy tsy nanan-janaka lahy izy, nahoana no dia hovonoina tsy ho eo amin’ny fokony ny anaran’ny rainay? Mba omeo zaratany eo amin’ny rahalahin-drainay izahay.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nahoana ny rainay no ho maty maso eo amin’ny fianakaviany na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? Mba omeo zaratany eo amin’ny rahalahin’ny rainay izahay. DIEM PROTESTANTA Koa rariny ve raha ho very anarana eo amin’ny tarika misy azy ny rainay, na dia tsy mba nanan-janakalahy aza? Mba omeo zaratany ho fanananay àry izahay tahaka ny natao ho an’ny ireo rahalahin-drainay! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa rariny ve raha ho very anarana eo amin’ny tarika misy azy ny rainay, na dia tsy mba nanan-janakalahy aza? Mba omeo zaratany ho fanananay àry izahay tahaka ny natao ho an’ny ireo rahalahin-drainay! Baiboly Protestanta Malagasy Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin’ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin’ny rahalahin’ny rainay izahay. Malagasy Bible Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin'ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin'ny rainay izahay. La Bible en Malgache Nahoana ny rainay no ho maty maso eo amin’ny fianakaviany na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? Mba omeo zaratany eo amin’ny rahalahin’ny rainay izahay. |
Aoka hatolotra ho amin’ny fandringanana ny taranany, ary aoka ho mati-maso amin’ny taranaka faharoa ny anarany!
Nifona tamin’i Iaveh Andriamaniny anefa i Môizy ka nanao hoe: «Nahoana ny fahatezeranao, Iaveh ô, no dia hirehitra amin’ny vahoakanao, izay navoakanao avy amin’ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe aman-tanana mahery?
Ny fahazavan’ny marina, mamiratra mahafinaritra; fa ny jiron’ny ratsy fanahy kosa, mitsilopilopy ho faty.
«Maty tany an’efitra ny rainay; izy tsy mba anatin’ilay antokony, izay niray tetika hiodina amin’i Iaveh, dia ny antokon’i Kôre, fa maty noho ny fahotany izy, ary tsy mba nanan-janakalahy izy.
Nankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy teo anatrehan’i Jôsoe zanak’i Nona, sy teo anatrehan’ny filohany izy ireo, ka nanao hoe: «Nandidy an’i Môizy i Iaveh hanome zara tany anay eo amin’ny anadahinay.» Dia nomena zara tany teo amin’ny rahalahin-drainy izy ireo, araka ny didin’i Iaveh.