Nahatazana azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay any Jerikô tandrify azy, ka nanao hoe: «Mipetraka ao amin’i Elisea ny fanahin’i Elia.» Sady nandeha nitsena azy izy ireo sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany,
Nomery 27:20 - Baiboly Katolika Ametraho anjara amin’ny fahefanao izy, mba haneken’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia anomezo azy ny voninahitrao mba hihainoan’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo azy. DIEM PROTESTANTA Anomezo anjara azy ny voninahitrao mba hankatoavan’ny Israelita rehetra azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Anomezo anjara azy ny voninahitrao mba hankatoavan’ny Israelita rehetra azy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan’ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra azy. Malagasy Bible Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra azy. La Bible en Malgache Dia anomezo azy ny voninahitrao mba hihainoan’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo azy. |
Nahatazana azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay any Jerikô tandrify azy, ka nanao hoe: «Mipetraka ao amin’i Elisea ny fanahin’i Elia.» Sady nandeha nitsena azy izy ireo sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany,
Nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Iaveh i Salômôna, ho mpanjaka dimbin’i Davida rainy, sady nambinina izy ary nankatoavin’i Israely rehetra.
Ny fiandrianan’i Salômôna nasandratr’i Iaveh ho ambony indrindra teo imason’i Israely rehetra, ny fanjakany nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka talohany teo amin’i Israely rehetra.
Fa hidina Aho, ka hiteny aminao Aho; ary haka amin’ny fanahy izay ao aminao Aho, ka hametraka izany ao amin’izy ireo, mba hiarahany miadidy aminao ny fitondrana ny vahoaka dia tsy ho anao irery intsony no hitondra azy.
Dia apetraho eo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka atokany eo imason’izy ireo.
Izy hankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona izay hanadina amin’ny fitsaràn’ny Orima ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, ka araka ny teniny no hivoahan’i Jôsoe, araka ny teniny no hidirany, dia i Jôsoe, ny zanak’i Israely rehetra miaraka aminy, ary ny fiangonana rehetra. Hitarika azy hivoaka sy hiditra, hitondra sy hifehy azy.
Hilatsaka aminao ny Fanahin’i Iaveh dia hiara-maminany amin’ireo ianao, ka ho voaova ho olom-baovao.
Vao nihodina nisaraka tamin’i Samoela i Saola, dia nomen’Andriamanitra fo vaovao; ary tanteraka androtr’izay ihany ireo famantarana rehetra ireo.