I Aarôna naka an’i Elisabeta, zanaka vavin’i Aminadaba, anabavin’i Naasôna, ho vadiny, ka io no niteraka taminy an’i Nabada, i Abina, i Eleazara ary i Itamara.
Nomery 26:61 - Baiboly Katolika I Nadaba sy i Abiò maty, tamin’izy ireo nanatitra afo hafa teo anatrehan’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa maty i Nadaba sy i Abiho tamin’izy ireo nanolotra afo tsy izy teo anatrehan’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Fa i Nadaba sy i Abihò dia maty, fony nandoro vovo-javamanitra tsy sahaza teo anatrehan’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa i Nadaba sy i Abihò dia maty, fony nandoro vovo-javamanitra tsy sahaza teo anatrehan’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Fa maty Nadaba sy Abiho tamin’izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’i Jehovah. Malagasy Bible Fa maty Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah. La Bible en Malgache Fa maty i Nadaba sy i Abiho tamin’izy ireo nanolotra afo tsy izy teo anatrehan’NY TOMPO. |
I Aarôna naka an’i Elisabeta, zanaka vavin’i Aminadaba, anabavin’i Naasôna, ho vadiny, ka io no niteraka taminy an’i Nabada, i Abina, i Eleazara ary i Itamara.
I Nabada sy i Abiò dia maty teo anatrehan’i Iaveh tamin’izy nanatitra afo hafa teo anatrehan’i Iaveh tany an’efitra Sinaia: tsy nanan-janaka izy ireo.