Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 23:11 - Baiboly Katolika

Dia hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Fa inona ity nataonao tamiko, ny hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo vao mainka mitso-drano ihany no ataonao?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: Inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nakako anao, kanjo ny nanome azy tsodrano feno indray no nataonao!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy i Balàka tamin’i Balahama: –Fa inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nitondrako anao atỳ, kanefa dia ny nitsodrano azy indray no nataonao!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy i Balàka tamin’i Balahama: –Fa inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nitondrako anao atỳ, kanefa dia ny nitsodrano azy indray no nataonao!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy Balaka tamin’i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa hianao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: Inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nakako anao, kanjo ny nanome azy tsodrano feno indray no nataonao!

Jereo ny toko



Nomery 23:11
7 Rohy Ifampitohizana  

satria tsy mba nitsena ny zanak’i Israely, nitondra mofo sy rano ireo, ary satria nanamby an’i Balaama hanosona azy, saingy nampodin’Andriamanitra ho tso-drano ny ozona.


‹Indro ilay firenena nivoaka avy tany Ejipta fa mandrakotra ny tany, tongava atỳ amiko àry ka hanozona azy ianao; izany angamba no hahazoako mandresy azy sy mandroaka azy.› »


fa homeko voninahitra lehibe indrindra ianao, ary hotanterahiko avokoa izay rehetra holazainao amiko. Koa mihanta aminao re aho, tongava atỳ amiko, ozòny io vahoaka io.»


Fa hoy ny navaliny nanao hoe: «Moa tsy tokony hotandremako va ny hilaza izay ataon’i Iaveh ato am-bavako?»


Dia nirehitra tamin’i Balaama ny fahatezeran’i Balàka, ka niteha-tanana izy; ary hoy i Balàka tamin’i Balaama hoe: «Ny hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo ny mitso-drano azy ihany kosa no nataonao efa intelo izao.