izay tany nofaizin’i Iaveh teo anoloan’ny fiangonan’i Israely dia tany tsara ho fiandrasana biby fiompy; ary ny mpanomponao be biby fiompy»,
Nomery 21:35 - Baiboly Katolika Dia nandresy azy mbamin’ny zanany lahy sy ny vahoakany rehetra izy ireo; tsy nasiany niangana na dia iray aza, ka azony ny taniny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia namely azy sy ny zanany lahy ary ny vahoakany rehetra izy ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, dia azony ny taniny. DIEM PROTESTANTA Dia nasian’ny Israelita tsy nisy niangana i Hôga sy ny zanany ary ny tafiny manontolo, ka lasany ny taniny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nasian’ny Israelita tsy nisy niangana i Hôga sy ny zanany ary ny tafiny manontolo, ka lasany ny taniny. Baiboly Protestanta Malagasy Dia namely azy sy ny zanani-lahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy. Malagasy Bible Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy. La Bible en Malgache Dia namely azy sy ny zanany lahy ary ny vahoakany rehetra izy ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, dia azony ny taniny. |
izay tany nofaizin’i Iaveh teo anoloan’ny fiangonan’i Israely dia tany tsara ho fiandrasana biby fiompy; ary ny mpanomponao be biby fiompy»,
Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Ny tany Seira koa fahiny, dia nonenan’ny Hôreanina, nefa noroahin’ny taranak’i Esao ireny nataony lany ringana teo anatrehany, dia izy ireo no nonina nisolo ireny, toy ny nataon’ny zanak’i Israely tamin’ny tany ananany, izay nomen’i Iaveh azy.
Toy ny nataon’i Iaveh tamin’i Sehôna sy i Oga, mpanjakan’ny Amôreana, izay naringany mbamin’ny taniny, no hataony amin’ireo koa.
tany an-dafin’ny Jordany tao an-dohasaha tandrifin’i Bety-Fogôra, amin’ny tanin’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, nonina tao Hesebona, izay noresen’i Môizy sy ny zanak’i Israely tamin’ny nivoahany tany Ejipta.
Naka ny tanin’io ho fananany izy ireo mbamin’ny an’i Oga mpanjakan’i Basàna, dia ny mpanjaka roa tamin’ny Amôreana, an-dafin’i Jordany any atsinanana;
ny fanjakana rehetra tany Basàna an’i Oga, izay nanjaka tany Astarôta sy tany Edraia; izy io no hany sisa tamin’ny Refaima: resin’i Môizy ireo mpanjaka ireo ka noroahiny.
Ary hoy i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely: «Moa tsy efa nanafaka anareo va Aho, tamin’ny Ejiptianina sy ny Amôreana ary ny taranak’i Amôna, mbamin’ny Filistinina?