Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 20:2 - Baiboly Katolika

Noho ny tsy fisian’ny rano ho an’ny fiangonana, dia nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary tsy nisy rano ho an’ny fiangonana ka nitangorona mba hikomy tamin’i Mosesy sy i Arona izy ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa tsy nisy intsony ny rano ho an’ny fiangonana, dia nitangoronany i Mosesy sy i Aharôna

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa tsy nisy intsony ny rano ho an’ny fiangonana, dia nitangoronany i Mosesy sy i Aharôna

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tsy nisy rano ho an’ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin’i Mosesy sy Arona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tsy nisy rano ho an'ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin'i Mosesy sy Arona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary tsy nisy rano ho an’ny fiangonana ka nitangorona mba hikomy tamin’i Mosesy sy i Arona izy ireo.

Jereo ny toko



Nomery 20:2
14 Rohy Ifampitohizana  

Nampahatezitra an’i Iaveh izy ireo tao amin’ny ranon’i Meribà, ary nozoim-pahoriana noho ny nataon’izy ireo i Môizy;


«Reko ny fimonomononan’ny zanak’i Israely, ka lazao izy ireo hoe: Amin’ny àty takariva ianareo dia hihinan-kena; ary raha maraina koa dia hivoky mofo, ka ho fantatrareo fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.»


Nimonomonona tamin’i Môizy sy i Aarôna tao an’efitra ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra.


ary ho hitanareo raha maraina ny voninahitr’i Iaveh, satria reny ny fimonomononanareo tamin’i Iaveh, fa izahay moa no inona no izahay no imonomononanareo?»


Nimonomonona tamin’i Môizy sy i Aarôna ny zanak’i Israely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra tamin’izy ireo: «Inay anie izahay maty tany an-tany Ejipta, na inay anie izahay maty atỳ amin’ity efitra ity.


Fa aza miodina amin’i Iaveh kosa ianareo, ary aza matahotra ny olona amin’izany tany izany, fa ho fihinana ho antsika izy ireo; ny fialofan’izy ireo efa niala taminy, ary isika omban’i Iaveh, ka aza matahotra azy ireo.»


Nantsoin’i Kôre ho eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ny fiangonana rehetra, hanohitra an’i Môizy sy i Aarôna. Dia niseho tamin’ny fiangonana rehetra ny voninahitr’i Iaveh.


Nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo, ka nanao taminy hoe: «Aoka izay fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, ny olon-drehetra, ary eo afovoan’izy ireo i Iaveh. Nahoana ianareo no manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’i Iaveh?»


ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Môizy nanao hoe: «Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty atỳ an’efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony.»