Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 17:17 - Baiboly Katolika

«Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ary angalao tehina izy ireo, dia tehina iray avy isam-pokom-pianakaviany, dia tehina 12 izany no ho avy amin’ny filohany rehetra araka ny fokom-pianakaviany 12. Samy soraty eo amin’ny tehina ny anarany tsirairay avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mitenena amin’ny Zanak’Israely ka analao tehina iray avy araka ny fokony izy, koa ny lehiben’ny fokony rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa amby folo. Samy soraty eo amin’ny tehiny avy ny anaran’izy rehetra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

–Lazao ny Israelita mba hanolotra tehina iray ho anao isam-pokony avy, izany hoe hahazo tehina roambinifolo avy amin’ny filohan’ny foko rehetra ianao. Hosoratanao eo amin’ny tehiny avy ny anarany,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Lazao ny Israelita mba hanolotra tehina iray ho anao isam-pokony avy, izany hoe hahazo tehina roambinifolo avy amin’ny filohan’ny foko rehetra ianao. Hosoratanao eo amin’ny tehiny avy ny anarany,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan’ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin’ny folo; ary samy soraty eo amin’ny tehiny avy ny anaran’izy rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mitenena amin’ny Zanak’Israely ka analao tehina iray avy araka ny fokony izy, koa ny lehiben’ny fokony rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa amby folo. Samy soraty eo amin’ny tehiny avy ny anaran’izy rehetra.

Jereo ny toko



Nomery 17:17
0 Rohy Ifampitohizana