Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 16:18 - Baiboly Katolika

Dia samy naka ny fanembohany avy izy rehetra, ka nasiany afo tao anatiny, sy norarahany zava-manitra koa; dia nijanona teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana izy, mbamin’i Môizy sy i Aarôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary samy nitondra ny fitondrany afo avy izy rehetra ka nanisy afo tao anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo amboniny; ary nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana izy mbamin’i Mosesy sy i Arona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Samy naka ny fitaovana fandoroany zava-manitra izy rehetra ka nanisy vainafo sy nandraraka vovo-javamanitra tao anatiny; ary nijanona teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana izy ireo niaraka tamin’i Mosesy sy i Aharôna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Samy naka ny fitaovana fandoroany zava-manitra izy rehetra ka nanisy vainafo sy nandraraka vovo-javamanitra tao anatiny; ary nijanona teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana izy ireo niaraka tamin’i Mosesy sy i Aharôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary samy naka ny fitondran-afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana izy mbamin’i Mosesy sy Arona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary samy naka ny fitondran'afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy mbamin'i Mosesy sy Arona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary samy nitondra ny fitondrany afo avy izy rehetra ka nanisy afo tao anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo amboniny; ary nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* izy mbamin’i Mosesy sy i Arona.

Jereo ny toko



Nomery 16:18
7 Rohy Ifampitohizana  

Nisondrotra tao am-pony izaitsizy anefa izy, nony tonga nahery, ka nahafongotra azy izany. Nanota tamin’i Iaveh Andriamaniny izy, fa niditra tao an-tempolin’i Iaveh izy, handoro zava-manitra eo ambony ôtely fandoroan-java-manitra.


dia haka fanembohana feno vain’afo avy eo ambonin’ny ôtely, eo anatrehan’i Iaveh sy vovo-java-manitra eran-tanan-droa; ka hitondra izany zavatra izany mankao anatin’ny efitra lamba.


Hataony eo ambonin’ny afo, eo anatrehan’i Iaveh ny zava-manitra, mba ho voasaron’ny setroky ny zava-manitra ny fanaovam-panavotana, eo ambonin’ny vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.


Samia maka ny fanembohana ianareo; ka asio zava-manitra, ary samia mitondra ny fanembohanareo ho eo anatrehan’i Iaveh, dia ho fanembohana 250 izany; ary ianao sy i Aarôna koa dia samy hitondra ny fanembohanareo.»


Nantsoin’i Kôre ho eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ny fiangonana rehetra, hanohitra an’i Môizy sy i Aarôna. Dia niseho tamin’ny fiangonana rehetra ny voninahitr’i Iaveh.