Hanao tavy fandraofan-davenona momba ny ôtely ianao, ary sotron’afo, tavy, fitrebika, ary fatana; ataovy varahina avokoa ireo fanaka ireo.
Nomery 16:17 - Baiboly Katolika Samia maka ny fanembohana ianareo; ka asio zava-manitra, ary samia mitondra ny fanembohanareo ho eo anatrehan’i Iaveh, dia ho fanembohana 250 izany; ary ianao sy i Aarôna koa dia samy hitondra ny fanembohanareo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary samia maka ny fitondrany afo avy ianareo rehetra ka asio ditin-kazo manitra ao anatiny ary samia mitondra ny fitondrany afo avy ianareo rehetra ho eo anatrehan’NY TOMPO, fitondrana afo dimampolo sy roanjato; ianao sy i Arona dia samy hitondra ny fitondrany afo avy. DIEM PROTESTANTA Samia maka ny fitaovana fandoroany zava-manitra ka manisy vovo-javamanitra ao anatiny ary samia mitondra ny azy avy eo anatrehan’ny TOMPO; dia fitaovana fandoroana zava-manitra 250 izany no fitambarany. Hitondra ny azy avy koa ianao sy i Aharôna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Samia maka ny fitaovana fandoroany zava-manitra ka manisy vovo-javamanitra ao anatiny ary samia mitondra ny azy avy eo anatrehan’ny TOMPO; dia fitaovana fandoroana zava-manitra 250 izany no fitambarany. Hitondra ny azy avy koa ianao sy i Aharôna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary samia maka ny fitondran-afony avy hianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran-afony avy hianareo rehetra ho eo anatrehan’i Jehovah, dia fitondran-afo dimam-polo amby roan-jato; dia hianao sy Arona samy hitondra ny fitondran-afony avy. Malagasy Bible Ary samia maka ny fitondrana fony avy ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran'afony avy ianareo rehetra ho eo anatrehan'i Jehovah, dia fitondran'afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy Arona samy hitondra ny fitondran'afony avy. La Bible en Malgache Ary samia maka ny fitondrany afo avy ianareo rehetra ka asio ditin-kazo manitra ao anatiny ary samia mitondra ny fitondrany afo avy ianareo rehetra ho eo anatrehan’NY TOMPO, fitondrana afo dimampolo sy roanjato; ianao sy i Arona dia samy hitondra ny fitondrany afo avy. |
Hanao tavy fandraofan-davenona momba ny ôtely ianao, ary sotron’afo, tavy, fitrebika, ary fatana; ataovy varahina avokoa ireo fanaka ireo.
Ary nisy 70 lahy, amin’ny loholon’ny taranak’i Israely, ka anisan’ireo i Jezoniasa zanak’i Safàna, ary nitsangana teo anoloan’izany sary izany ireo; samy nanana ny fanembohany teny an-tanany avy, ka nisondrotra avy eo ny hanitry ny emboka nijofo.
Hoy i Môizy tamin’i Kôre: «Rahampitso ianao sy ny tarikao rehetra mitoera eo anatrehan’i Iaveh, dia izy ireo sy ianao mbamin’i Aarôna.
Dia samy naka ny fanembohany avy izy rehetra, ka nasiany afo tao anatiny, sy norarahany zava-manitra koa; dia nijanona teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana izy, mbamin’i Môizy sy i Aarôna.
Koa ankehitriny avia eto anatrehako ianareo, fa tiako ny miantso anareo amin’ny fitsarana eto anatrehan’i Iaveh ny amin’ny soa rehetra nataony taminareo sy ny razanareo.