Nomery 15:40 - Baiboly Katolika Hahatsiaro ny didiko rehetra ianareo amin’izany, ary hanaraka azy, ka ho masina ho an’ny Andriamanitrareo ianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay namoaka anareo tany amin’ny tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra ka ho masina ho an’Andriamanitrareo ianareo. DIEM PROTESTANTA Hahatsiaro sy hankatò ny didiko rehetra ianareo ka ho voatokana ho Ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hahatsiaro sy hankatò ny didiko rehetra ianareo ka ho voatokana ho Ahy. Baiboly Protestanta Malagasy mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an’Andriamanitrareo hianareo. Malagasy Bible mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an'Andriamanitrareo ianareo. La Bible en Malgache Hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra ka ho masina ho an’Andriamanitrareo ianareo. |
Mitenena amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, lazao aminy hoe: Aoka ho masina ianareo satria masina Aho, Iaveh Andriamanitrareo.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
satria tsy ho amin’ny fahalotoana, fa ho amin’ny fahamasinana no niantsoan’Andriamanitra antsika.