Izao no filazana nataony tamin’i Môizy: «Nankany amin’ny tany nanirahanao anay izahay. Tany tondra-dronono sy tantely tokoa izany, ary itony no vokatry ny tany avy any.
Nomery 14:7 - Baiboly Katolika ary niteny toy izao tamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra izy ireo: «Tany tsara indrindra ny tany notetezinay nosafoina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 sady niteny tamin’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo hoe: Ny tany izay nalehanay, nosafoina, dia tany tena tsara indrindra. DIEM PROTESTANTA ary niteny tamin’ny fiangonana israelita tsivakivolo hoe: –Ny tany izay nosafoinay dia tany tena tsara tokoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary niteny tamin’ny fiangonana israelita tsivakivolo hoe: –Ny tany izay nosafoinay dia tany tena tsara tokoa. Baiboly Protestanta Malagasy ary niteny tamin’ny fiangonona, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra. Malagasy Bible ary niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra. La Bible en Malgache sady niteny tamin’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo hoe: Ny tany izay nalehanay, nosafoina, dia tany tena tsara indrindra. |
Izao no filazana nataony tamin’i Môizy: «Nankany amin’ny tany nanirahanao anay izahay. Tany tondra-dronono sy tantely tokoa izany, ary itony no vokatry ny tany avy any.
Fa i Kaleba nampangina ny vahoaka ny amin’i Môizy: «Andeha isika, hoy izy, hiakatra haka ny tany fa mety ho lasantsika tokoa izy.»
Nandriatra ny fitafiany i Jôsoe, zanak’i Nona, sy i Kaleba, zanak’i Jefôna, anisan’ireo nisafo ny tany,
Nataony teny an-tananay ny vokatry ny tany nentiny nankany amintsika ary nanao filazana momba izany tamintsika izy; dia hoy izy: Tsara ny tany izay omen’i Iaveh Andriamanitsika ho antsika.
Ka hoy ny navaliny: «Mitsangàna, miakara isika hamely an’ireny, fa efa hitanay ny tany, ka indro fa tany soa indrindra, ka no mipetraka eo foana tsy miteny tsy mivolana ianareo? Aza milasilasy amin’ny fandehanana haka izany tany izany.