Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 14:27 - Baiboly Katolika

«Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy mimonomonona amiko ity? Reko ny fimonomononana ataon’ny zanak’i Israely amiko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin’izao fiangonana ratsy mimonomonona Amiko izao? Efa reko ny fimonomononan’ny Zanak’Israely Amiko.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

–Mandra-pahoviana no mbola handeferako fimonomononan’ity fiangonana ratsy ity amiko? Efa mankadilo ny sofiko ny fimonomononany amiko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Mandra-pahoviana no mbola handeferako fimonomononan’ity fiangonana ratsy ity amiko? Efa mankadilo ny sofiko ny fimonomononany amiko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin’ izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa reko ny fimonomononan’ny Zanak’Isiraely, izay imonomononany amiko.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin'izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa reko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, izay imonomononany amiko.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin’izao fiangonana ratsy mimonomonona Amiko izao? Efa reko ny fimonomononan’ny Zanak’Israely Amiko.

Jereo ny toko



Nomery 14:27
11 Rohy Ifampitohizana  

«Reko ny fimonomononan’ny zanak’i Israely, ka lazao izy ireo hoe: Amin’ny àty takariva ianareo dia hihinan-kena; ary raha maraina koa dia hivoky mofo, ka ho fantatrareo fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.»


Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?


ary ho hitanareo raha maraina ny voninahitr’i Iaveh, satria reny ny fimonomononanareo tamin’i Iaveh, fa izahay moa no inona no izahay no imonomononanareo?»


Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Lazao amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra hoe: Manatòna eo anatrehan’i Iaveh ianareo, fa efa reny ny fimonomononanareo.»


Nihaika Ahy ianareo tamin’ny lahateninareo; sady nanamaro ny teninareo, namely Ahy. Izaho kosa efa nandre izany!


Nanomboka nimonomonona zavatra tsy mety tamin’ny sofin’i Iaveh ny vahoaka. Nandre an’izany i Iaveh ka nirehitra ny hatezerany ary nirehitra tamin’izy ireo ny afon’i Iaveh, ka may ny teny an-tsisin’ny toby.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no haniratsiràn’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy, na dia eo aza ny fahagagana rehetra nataoko teo afovoany?


Niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ka nanao hoe:


Fa nanatona azy i Jesoa dia nanohina azy, ka nanao taminy hoe: «Mitsangàna, fa aza matahotra.»


Dia nentiny nankeo aminy izy, ary vantany vao nahita Azy ny demony, dia nampifanintontsintona ny zaza, ka lavo nitsinkasina sady nandoa vory.


ary aoka ianareo tsy himonjomonjo tahaka ny sasany tamin’ireny, ka matin’ny Anjely mpandringana izy ireny.