Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna, no nitodika ny efitra ireo, ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitr’i Iaveh.
Nomery 14:10 - Baiboly Katolika Raha ilay niteniteny ny hitora-bato an’ireo iny ny fiangonana rehetra dia indro ny voninahitr’i Iaveh niseho teo amin’ny trano lay fihaonana, teo imason’ny zanak’i Israely rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny fiangonana manontolo dia nilaza hitora-bato azy roalahy, kanjo ny voninahitry NY TOMPO niseho teo amin’ny tranolay fihaonana, teo anatrehan’ny Zanak’Israely rehetra. DIEM PROTESTANTA Nandrahona hitora-bato azy roa lahy ny vahoaka iray manontolo; kanjo indro ny voninahitry ny TOMPO fa niseho tamin’ny Israelita rehetra teo amin’ny Tranolay fihaonana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nandrahona hitora-bato azy roa lahy ny vahoaka iray manontolo; kanjo indro ny voninahitry ny TOMPO fa niseho tamin’ny Israelita rehetra teo amin’ny Tranolay fihaonana. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr’i Jehovah niseho teo amin’ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan’ny Zanak’Isiraely rehetra. Malagasy Bible Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely rehetra. La Bible en Malgache Fa ny fiangonana manontolo dia nilaza hitora-bato azy roalahy, kanjo ny voninahitry NY TOMPO niseho teo amin’ny tranolay fihaonana*, teo anatrehan’ny Zanak’Israely rehetra. |
Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna, no nitodika ny efitra ireo, ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitr’i Iaveh.
ary ho hitanareo raha maraina ny voninahitr’i Iaveh, satria reny ny fimonomononanareo tamin’i Iaveh, fa izahay moa no inona no izahay no imonomononanareo?»
Dia nitaraina tamin’i Iaveh i Môizy nanao hoe: «Inona no ataoko ho an’ity vahoaka ity, fa kely foana sisa tsy hitorahany vato ahy?»
Tamin’izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana; ary ny voninahitr’i Iaveh nameno ny Fonenana.
Niditra tao an-trano lay fihaonana i Môizy sy i Aarôna; nony nivoaka avy ao izy ireo, dia nitso-drano ny vahoaka. Ary niseho tamin’ny vahoaka rehetra ny voninahitr’i Iaveh.
Nantsoin’i Kôre ho eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ny fiangonana rehetra, hanohitra an’i Môizy sy i Aarôna. Dia niseho tamin’ny fiangonana rehetra ny voninahitr’i Iaveh.
Fa raha ilay nivory hanohitra an’i Môizy sy Aarôna iny ny fiangonana, dia nitodika ny trano lay fihaonana i Môizy sy i Aarôna, ka indro fa nanarona an’io ny rahona ary ny voninahitr’i Iaveh niseho.
Dia niala tao amin’ny fiangonana i Môizy sy i Aarôna, nankeo am-baravaran’ny trano lay fihaonana. Nidaboka niankohoka izy ireo, dia niseho taminy ny voninahitr’i Iaveh.
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao tahaka ny anangonan’ny reniakoho ny zanany eo ambanin’ny elany, fa tsy nety ianao?
Zovy moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’izay nilaza rahateo ny hahatongavan’ilay Marina aza; ary ankehitriny indray ianareo dia namadika sy namono Azy.
Dia nandohalika izy, ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Tompo ô! aza tanana izao hadisoany izao.» Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo amin’ny Tompo. Ary i Saoly nankatò ny namonoana azy.
Niferin’aina mafy i Davida, fa nanao teny hitora-bato azy ny antoko-miaramilany, satria samy nahatsiaro mangidy mafy loatra tao am-pony ny vahoaka noho ny amin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Nefa nampahery ny tenany tamin’i Iaveh Andriamaniny, i Davida.