Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 12:7 - Baiboly Katolika

Tsy mba toy izany i Môizy mpanompoko; ekena ho olo-mahatoky amin’ny tranoko rehetra izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa tsy toy izany kosa i Mosesy mpanompoko izay mahatoky amin’ny tranoko manontolo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa tsy mba toy izany kosa i Mosesy mpanompoko izay olona mahatoky tamin’ny fiandraiketana ny tranoko manontolo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa tsy mba toy izany kosa i Mosesy mpanompoko izay olona mahatoky tamin’ny fiandraiketana ny tranoko manontolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin’ny tranoko rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin'ny tranoko rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa tsy toy izany kosa i Mosesy mpanompoko izay mahatoky amin’ny tranoko manontolo.

Jereo ny toko



Nomery 12:7
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Efa nandinika an’i Jôba mpanompoko va ianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin’ny tany, marina, mahitsy, matahotra an’Andriamanitra, ary mifady ny ratsy».


Dia nirahiny i Môizy mpanompony, sy i Aarôna olom-boafidiny.


Ary i Iaveh miresaka mifanatrika amin’i Môizy, mova tsy ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Raha efa izany dia miverina mankany an-toby i Môizy fa i Jôsoe zanak’i Nona, ilay tovolahy mpanompony, tsy niala tao afovoan’ny trano lay.


Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy, mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy.


Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Moa mpaminany va? Eny! hoy Izaho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza.


Gaga i Môizy nahita izany; ary nony nanatona handinika izy, dia nandre ny feon’ny Tompo nanao hoe:


Ary raha mpitandrim-pananana, dia ny ho samy mahatoky no ilaina indrindra.


Hananganako mpaminany anankiray tahaka anao, avy eo amin’ny rahalahiny, izy; hapetrako eo am-bavany ny teniko dia holazainy amin’izy ireo ny zavatra rehetra handidiako azy.


Teo no nahafatesan’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, dia teo amin’ny tanin’i Moaba, araka ny didin’i Iaveh.


satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, dia ny Eglizin’Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan’ny marina.


Rehefa maty i Môizy, mpanompon’i Iaveh, dia niteny tamin’i Jôsoe zanak’i Nona, mpanompon’i Môizy, i Iaveh nanao hoe:


«Efa maty i Môizy, mpanompoko, koa mitsangàna ianao ankehitriny, mità an’io Jordany io, ianao sy izao vahoaka rehetra izao, ho any amin’ny tany izay omeko ny zanak’i Israely.