Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 12:15 - Baiboly Katolika

Natokana hafitoana tany ivelan’ny toby i Maria, ary tsy niainga ny vahoaka raha tsy efa voaray indray i Maria.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia natokana tany ivelan’ny toby hafitoana i Miriama; ary tsy niainga ny olona raha tsy efa tafaverina i Miriama.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia navahana tany ivelan’ny toby nandritra ny herinandro i Miriama, ary tsy niainga ny Israelita, raha tsy efa nandray ny toerany indray izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia navahana tany ivelan’ny toby nandritra ny herinandro i Miriama, ary tsy niainga ny Israelita, raha tsy efa nandray ny toerany indray izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia natokana tany ivelan’ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia natokana tany ivelan'ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia natokana tany ivelan’ny toby hafitoana i Miriama; ary tsy niainga ny olona raha tsy efa tafaverina i Miriama.

Jereo ny toko



Nomery 12:15
9 Rohy Ifampitohizana  

«Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.»


fa raha mampahory Izy, dia mangoraka, araka ny famindram-pony lehibe;


Izay midio hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volon-kodiny rehetra ary handro amin’ny rano, dia hadio izy, ka hahazo miditra an-toby, nefa mbola hijanona eo ivelan’ny lainy hafitoana.


Fa nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta Aho, ary nanavotra anao tamin’ny trano nahandevozana; ary naniraka teo anoloanao, an’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria.


Iaveh ô, nandre izay nampandrenesinao aho, dia raiki-tahotra aho, Iaveh ô! Velomy ny asanao amin’ny taona mifandimby; ataovy fantatra amin’ny taona mifandimby izy. Na eo amin’ny hatezeranao aza, mahatsiarova ny hamindra fo.


Nony afaka izany, dia niainga niala tao Hazerôta ny vahoaka ka nitoby tao amin’ny efitra Faràna.