fa izy kosa nandroso lalana indray andro tany an’efitra; ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin’ny kofafambohitra anankiray, dia nangataka ny ho faty, nanao hoe: «Aoka izay! alao amin’izao ny aiko, ry Iaveh ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.»
Nomery 11:15 - Baiboly Katolika Koa raha izao no ataonao amiko mihanta aminao aho, raha mahita fitia eo imasonao, vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa raha izao no ataonao amiko, vonoy mihitsy aho, raha mba nahita fitia teo imasonao, mba tsy hahitako ny fahoriana manjo ahy! DIEM PROTESTANTA Raha toy izany no hanaovanao ahy, dia vonoy mihitsy aho ho faty. Izany ahay no hanehoanao hatsarampo amiko; fa aza avela hahita ny fahoriako intsony aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha toy izany no hanaovanao ahy, dia vonoy mihitsy aho ho faty. Izany ahay no hanehoanao hatsarampo amiko; fa aza avela hahita ny fahoriako intsony aho. Baiboly Protestanta Malagasy Koa raha izao no ataonao amiko, masìna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho. Malagasy Bible Koa raha izao no ataonao amiko, masìna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho. La Bible en Malgache Koa raha izao no ataonao amiko, vonoy mihitsy aho, raha mba nahita fitia teo imasonao, mba tsy hahitako ny fahoriana manjo ahy! |
fa izy kosa nandroso lalana indray andro tany an’efitra; ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin’ny kofafambohitra anankiray, dia nangataka ny ho faty, nanao hoe: «Aoka izay! alao amin’izao ny aiko, ry Iaveh ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.»
Ary ankehitriny avelao re ny helony; fa raha tsy izany, vonoy ny anarako ao amin’ny bokinao izay nosoratanao.»
Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako, ary manaintaina ny feriko, sady tsy mety sitrana? Moa ho tahaka ny rano mamitaka ho ahy va Ianao, ho tahaka ny rano tsy azoko itokiana?
Nahoana aho no nivoaka avy ao an-kibony, hahita fijaliana amam-pahoriana, sy handany ny androko amin’ny fahafaham-baraka!
Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’i Iaveh, ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao. I Iaveh, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony ianao.
Ary aoka ny fandeferana homban’asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo.