Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 10:36 - Baiboly Katolika

Nony nijanona kosa indray izy dia hoy izy: «Avia, ry Iaveh, miverena amin’ny isan’arivon’i Israely tsy omby alinalina.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa nijanona kosa ny vata misy ny Vavolombelona dia hoy izy: Miverena, TOMPO ô, ho amin’ny Israely tsy omby alinalina!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa nijanona kosa ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «TOMPO ô, miverena eo anivon’ny fianakaviana anarivoarivon’i Israely».

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa nijanona kosa ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «TOMPO ô, miverena eo anivon’ny fianakaviana anarivoarivon’i Israely».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin’ny Isiraely tsy omby alinalina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin'ny Isiraely tsy omby alinalina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa nijanona kosa ny vata misy ny Vavolombelona dia hoy izy: Miverena, TOMPO ô, ho amin’ny Israely tsy omby alinalina!

Jereo ny toko



Nomery 10:36
5 Rohy Ifampitohizana  

Nitso-drano an-dRebekà izy, ka nanao taminy hoe: «Ho tonga alinalina anie ianao, ranabavy! Ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony anie ny taranakao!»


Mitsangàna, ry Iaveh, avia eto amin’ny fitoerana fitsaharanao, ianao sy ny fiaran’ny fiandriananao!


Nahoana izahay, ry Iaveh ô, no dia ataonao maniasia lavitra ny lalanao, ka hamafisinao fo, tsy hatahotra Anao? Miverena, noho ny fitiavanao ny mpanomponao sy ny fokon’ny lovanao!


Efa nampitombo anareo i Iaveh Andriamanitrareo, ka indro ankehitriny efa maro toy ny kintana eny an-danitra ianareo.