Iza moa ity vehivavy, miposaka toy ny mazava atsinanana tsara tahaka ny volana, madio toy ny masoandro, fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila?
Nomery 10:28 - Baiboly Katolika Izany no filaharan’ny zanak’i Israely teny an-dalana araka ny antokony avy. Dia niainga handeha izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izany filaharana izany no niaingan’ny Zanak’Israely, araka ny antokony avy. Dia niainga izy. DIEM PROTESTANTA Izany no filaharan’ny Israelita mbamin’ny antokon-tafiny avy, rehefa niainga izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izany no filaharan’ny Israelita mbamin’ny antokon-tafiny avy, rehefa niainga izy. Baiboly Protestanta Malagasy Izany no fandehan’ny Zanak’Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy. Malagasy Bible Izany no fandehan'ny Zanak'Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy. La Bible en Malgache Izany filaharana izany no niaingan’ny Zanak’Israely, araka ny antokony avy. Dia niainga izy. |
Iza moa ity vehivavy, miposaka toy ny mazava atsinanana tsara tahaka ny volana, madio toy ny masoandro, fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila?
Ary hoy i Môizy tamin’i Hobaba zana-dRagoela, Madianita, rafozan’i Môizy: «Ny dianay izao, dia ho any amin’ny tany nolazain’i Iaveh hoe: Homeko anareo izy. Koa andeha hiaraka aminay, fa hasiany soa ianao, satria i Iaveh efa nampanantena ny hanisy soa an’i Israely.»
Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Toy izany no nitobiany samy araka ny fanevany avy. Toy izany no nilaharany teo am-pandehanana araka ny fianakaviany avy sy ny tokom-pianakaviany avy.
satria Andriamanitra tsy mba Andriamanitry ny tabataba, fa Andriamanitry ny fiadanana.
fa na dia tsy atỳ aminareo amin’ny vatana aza aho, dia atỳ aminareo amin’ny fanahy ihany, ka faly mijery izato filaminanareo sy hamafin’ny finoanareo an’i Kristy.