Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 13:16 - Baiboly Katolika

Nisy Tirianina nonina tao Jerosalema koa, nitondra hazandrano sy entam-barotra isan-karazany, namidiny tamin’ny taranak’i Jodà sy tao Jerosalema, tamin’ny andro sabata.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nisy Tiriana nitoetra tao, nitondra hazandrano sy varotra samihafa izy ireo ka nivarotra tamin’ny taranak’i Joda sy tany Jerosalema tamin’ny Sabata.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nisy Tirianina nonina tao Jerosalema, izay nitondra trondro sy entam-barotra isan-karazany hamidy andro sabata amin’ny mponin’i Jerosalema sy i Joda.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nisy Tirianina nonina tao Jerosalema, izay nitondra trondro sy entam-barotra isan-karazany hamidy andro sabata amin’ny mponin’i Jerosalema sy i Joda.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nisy olona avy any Tyro nitoetra tao, izay nitondra hazandrano sy varotra samy hafa ka nivarotra tamin’ny taranak’i Joda sy tany Jerosalema tamin’ny Sabata.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisy olona avy any Tyro nitoetra tao, izay nitondra hazandrano sy varotra samy hafa ka nivarotra tamin'ny taranak'i Joda sy tany Jerosalema tamin'ny Sabata;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nisy Tiriana nitoetra tao, nitondra hazandrano sy varotra samihafa izy ireo ka nivarotra tamin’ny taranak’i Joda sy tany Jerosalema tamin’ny Sabata.

Jereo ny toko



Nehemia 13:16
5 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany andro izany aho nahita olona sasany, tany Jodà, nanosihosy teo amin’ny famiazam-boaloboka, tamin’ny andro sabata, nitaona amboaram-bary, nampitondra entana ny ampondrany aza, dia divay, voaloboka, aviavy, mbamin’ny entana isan-karazany, ka nentina ho any Jerosalema tamin’ny andro sabata; noteneniko izy ireo nony nivarotra ny entam-barony.


Noteneniko mafy ny lehibe amin’i Jodà, nataoko hoe: «Inona izao zava-dratsy ataonareo mandoto ny andro sabata izao?


Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’i Iaveh Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona, na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy, na ny ankizy lahinao, na ny ankizy vavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao.


«Mandritra ny henemana no hanaovanao ny asanao, fa amin’ny andro fahafito mitsahara, mba hiala sasatra ny omby aman’ampondranao, sy haka aina ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny.


Fa ny andro fahafito, dia sabata ho an’i Iaveh Andriamanitrao, ka aza manao zavatra na inona na inona ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanako vavy, na ny ankizy lahinao na ny ankizy vavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahiny tafiditra ny vavahadinao, mba hitsahatra toa anao koa ny ankizy lahinao sy ny ankizy vavinao.