Nandresy ny Edômita marina ianao, ka dia nisandratra ny fonao. Mireharehà ary mijanòna any aminao. Nahoana ianao no dia mihitsoka amin’ny loza; ka ho lavo ianao, dia ny tenanao sy i Jodà miaraka aminao?»
Mpitsara 9:52 - Baiboly Katolika Nandroso teo amin’ny tilikambo i Abimeleka, dia namely azy, sy nanatona ny varavaran’ny tilikambo mba handoro azy amin’ny afo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tonga teo amin’ilay manda avo i Abimeleka ka namely azy, ary nanatona ny varavaran’ny manda avo izy mba handoro azy amin’ny afo. DIEM PROTESTANTA Ary tonga hatrany amin’ny tilikambo i Abimelèka mba hamely izany; dia nanatona teo am-baravarana izy mba handoro ilay tilikambo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary tonga hatrany amin’ny tilikambo i Abimelèka mba hamely izany; dia nanatona teo am-baravarana izy mba handoro ilay tilikambo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abimeleka nankany amin’ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran’ny tilikambo izy handoro azy amin’ny afo. Malagasy Bible Ary Abimeleka nankany amin'ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran'ny tilikambo izy handoro azy amin'ny afo. La Bible en Malgache Tonga teo amin’ilay manda avo i Abimeleka ka namely azy, ary nanatona ny varavaran’ny manda avo izy mba handoro azy amin’ny afo. |
Nandresy ny Edômita marina ianao, ka dia nisandratra ny fonao. Mireharehà ary mijanòna any aminao. Nahoana ianao no dia mihitsoka amin’ny loza; ka ho lavo ianao, dia ny tenanao sy i Jodà miaraka aminao?»
Tamin’izany, i Manahema dia niala tao Tersà ary namely an’i Tapsà sy ny mponina ao aminy mbamin’ny faritaniny; noho izy tsy namoha vavahady azy, no namelezany azy, ary notatahany ny kibon’ny vehivavy bevohoka rehetra.
Nisy tilikambo fiarovana mafy tao afovoan-tanàna, ka nandositra tao ny mponina rehetra tao an-tanàna na lahy na vavy, nohidian’izy ireo ny varavarana nony tafiditra, dia niakatra tany ambony tafon’ny tilikambo izy.
Kanjo nozeran’ny vehivavy anankiray, vakim-bato fikosoham-bary ny lohan’i Abimeleka, ka vaky terỳ ny karandohany.