I Sikema any amin’ny tendrombohitr’i Efraima no naorin’i Jerôbôama, dia nonina tao izy. Niala tao indray izy dia nanorina an’i Fanoela.
Mpitsara 9:45 - Baiboly Katolika Nananika ny tanàna iny tontolo andro iny i Abimeleka dia afany, ka ny vahoaka tao novonoiny, ary ny tanàna nofongorany sady nofafazany sira. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary namely ny tanàna mandritra izany andro izany i Abimeleka dia nahazo azy ka namono ny olona tao. Noravany ny tanàna sady nofafazany sira. DIEM PROTESTANTA Nanohy ny ady tao an-tanàna i Abimelèka ny tontolo andro ka nahazo ny tanàna sy nandringana ny olona rehetra tao; dia noravany ny tanàna ary nofafazany sira ilay toerana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanohy ny ady tao an-tanàna i Abimelèka ny tontolo andro ka nahazo ny tanàna sy nandringana ny olona rehetra tao; dia noravany ny tanàna ary nofafazany sira ilay toerana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira. Malagasy Bible Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira. La Bible en Malgache Ary namely ny tanàna mandritra izany andro izany i Abimeleka dia nahazo azy ka namono ny olona tao. Noravany ny tanàna sady nofafazany sira. |
I Sikema any amin’ny tendrombohitr’i Efraima no naorin’i Jerôbôama, dia nonina tao izy. Niala tao indray izy dia nanorina an’i Fanoela.
Noravany ny tanànany, samy nanipy vato iray tamin’ny tanimboly soa rehetra dia nataony tototra; notampenany ny loharano rehetra; nokapainy ny hazo mamoa rehetra, ary tsy nisy tavela na inona na inona tao Kir-Karoseta afa-tsy ny vato, fa voahodidin’ny mpandefa antsamotady sy nasiany.
Ka noho izany dia velona Aho, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: - i Moaba hanahaka an’i Sôdôma; ary ny taranak’i Amôna ho tahaka an’i Gômôra: fitoerana nafoy ho an’ny amiana sy tany ihadian-tsira, ho efitra mandrakizay. Izay sisa amin’ny vahoakako hamabo azy, ary izay tavela amin’ny fireneko no hahazo azy ho lovany.
ka hiteny izany firenena rehetra izany hanao hoe: Nahoana i Iaveh no dia nanao izao tamin’izany tany izany? Inona no dia nahatonga izao firehetam-pahatezerana lehibe izao? Dia hisy hilaza hanao hoe:
Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy namindra fo; ary ny famindram-po no maharesy ny fitsarana.
I Abimeleka sy ny antokony izay niaraka taminy niroso teo aloha ka naka toerana teo alohan’ny vavahadin’ny tanàna; ary ny anankiroa amin’ireo antokony ireo kosa niroatra hamely ny tany an-tsaha rehetra, ka nandresy azy.