Mpitsara 9:44 - Baiboly Katolika I Abimeleka sy ny antokony izay niaraka taminy niroso teo aloha ka naka toerana teo alohan’ny vavahadin’ny tanàna; ary ny anankiroa amin’ireo antokony ireo kosa niroatra hamely ny tany an-tsaha rehetra, ka nandresy azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Abimeleka sy ny antokony niaraka taminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna; ary ny roa toko hafa kosa dia nirohotra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy. DIEM PROTESTANTA Ary i Abimelèka sy ny antokony niaraka taminy dia niroatra naka toerana teo ambavahadin’ny tanàna, fa ireo antokony roa hafa kosa niroatra tamin’ireo olona tany an-tsaha ka nandringana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Abimelèka sy ny antokony niaraka taminy dia niroatra naka toerana teo ambavahadin’ny tanàna, fa ireo antokony roa hafa kosa niroatra tamin’ireo olona tany an-tsaha ka nandringana azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan’ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy. Malagasy Bible Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan'ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy. La Bible en Malgache Ary i Abimeleka sy ny antokony niaraka taminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna; ary ny roa toko hafa kosa dia nirohotra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy. |
Fa hoy ny tsilo tamin’ny hazo: Raha marina tokoa àry, fa tianareo ny hanosotra ahy ho mpanjaka, dia avia ianareo, ka mialofa amin’ny alokaloko, fa raha tsy izany, aoka hivoaka afo ny tsilo milobolobo, ka handoro ny sederan’i Libàna.
Fa raha tsy izany, dia aoka i Abimeleka hivoaka afo ka handevona ny mponina ao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao ary ny mponina ao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao koa hivoaka afo ka handevona an’i Abimeleka.
dia naka ny miaramilany, sy nizara azy ho antokony telo, ary nanao otrika tany an-tsaha. Vao nahita ny vahoaka nivoaka ny tanàna izy, dia nitsangana hamely azy, ka nandresy azy.
Nananika ny tanàna iny tontolo andro iny i Abimeleka dia afany, ka ny vahoaka tao novonoiny, ary ny tanàna nofongorany sady nofafazany sira.