Dia nijanona tao Romà i Abimeleka, ary i Zebola kosa nandroaka an’i Gaala sy ny rahalahiny, izay tsy nahazo nonina tao Sikema intsony.
Mpitsara 9:42 - Baiboly Katolika Nony ampitso, nivoaka nankany an-tsaha ny vahoaka. Nandre izany i Abimeleka, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony ampitson’iny dia nivoaka ny tanàna ho any an-tsaha ny olona ary nisy nanambara izany tamin’i Abimeleka. DIEM PROTESTANTA Ny ampitson’iny, dia niomana ho any an-tsaha ny mponina tao Sekema, ka nampandrenesina izany i Abimelèka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny ampitson’iny, dia niomana ho any an-tsaha ny mponina tao Sekema, ka nampandrenesina izany i Abimelèka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony ampitson’iny dia nivoaka ho any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin’i Abimeleka izany, Malagasy Bible Ary nony ampitson'iny dia nivoaka ho ratsy any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany, La Bible en Malgache Nony ampitson’iny dia nivoaka ny tanàna ho any an-tsaha ny olona ary nisy nanambara izany tamin’i Abimeleka. |
Dia nijanona tao Romà i Abimeleka, ary i Zebola kosa nandroaka an’i Gaala sy ny rahalahiny, izay tsy nahazo nonina tao Sikema intsony.
dia naka ny miaramilany, sy nizara azy ho antokony telo, ary nanao otrika tany an-tsaha. Vao nahita ny vahoaka nivoaka ny tanàna izy, dia nitsangana hamely azy, ka nandresy azy.