Dia hoy i Zebola taminy: «Fa aiza re ilay vavanao nanao hoe: Iza moa i Abimeleka no hotompointsika? Moa tsy ireo indrindra va no olona nesoinao? Mivoaha amin’izao, ka miadia aminy».
Mpitsara 9:39 - Baiboly Katolika Dia nivoaka nitarika ny olona tao Sikema i Gaala, ka niady tamin’i Abimeleka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niainga i Gala ka nitarika ny mponina tao Sekema ary niady tamin’i Abimeleka. DIEM PROTESTANTA Dia nivoaka ny tanàna i Gahala nitarika ny mponin’i Sekema, ka niady tamin’i Abimelèka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nivoaka ny tanàna i Gahala nitarika ny mponin’i Sekema, ka niady tamin’i Abimelèka. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nivoaka teo anoloan’ny mponina tao Sekema Gala ka niady tamin’i Abimeleka. Malagasy Bible Dia nivoaka teo anoloan'ny mponina tao Sekema Gala ka niady tamin'i Abimeleka. La Bible en Malgache Dia niainga i Gala ka nitarika ny mponina tao Sekema ary niady tamin’i Abimeleka. |
Dia hoy i Zebola taminy: «Fa aiza re ilay vavanao nanao hoe: Iza moa i Abimeleka no hotompointsika? Moa tsy ireo indrindra va no olona nesoinao? Mivoaha amin’izao, ka miadia aminy».
Kanjo nenjehin’i Abimeleka i Gaala ka vaky nandositra teo anoloany, ary maro ny olona maty novonoiny, hatrany anoloan’ny vavahady.