Tsy tsaroan’i Jôasy ny fitiavana nataon’i Jôiadà rain’i Zakaria taminy, ka nampamono an’ity zanany izy. Hoy i Zakaria nony efa ho faty: «Hijery sy hamaly an’izao anie i Iaveh!»
Mpitsara 8:35 - Baiboly Katolika ary tsy nampiseho firaiketam-po tamin’ny taranak’i Jerobaala-Jedeôna araka ny soa rehetra nataony tamin’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 sady tsy mba nanao soa tamin’ny taranak’i Jerobaala na Gideona, araka ny soa rehetra nataon’i Gideona tamin’ny Israely. DIEM PROTESTANTA Tsy nanehoany fitiavana koa ny ankohonan’i Jerobahala na Gidehôna, araka ny soa rehetra vitan’i Gidehôna tamin’i Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy nanehoany fitiavana koa ny ankohonan’i Jerobahala na Gidehôna, araka ny soa rehetra vitan’i Gidehôna tamin’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy sady tsy nanao soa tamin’ny taranak’i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon’i Gideona tamin’ny Isiraely, izy. Malagasy Bible sady tsy nanao soa tamin'ny taranak'i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon'i Gideona tamin'ny Isiraely, izy. La Bible en Malgache sady tsy mba nanao soa tamin’ny taranak’i Jerobaala na Gideona, araka ny soa rehetra nataon’i Gideona tamin’ny Israely. |
Tsy tsaroan’i Jôasy ny fitiavana nataon’i Jôiadà rain’i Zakaria taminy, ka nampamono an’ity zanany izy. Hoy i Zakaria nony efa ho faty: «Hijery sy hamaly an’izao anie i Iaveh!»
Tamin’izany andro izany no nanomezan’ny olona anarana an’i Jedeôna hoe Jerobaala, fa nataony hoe: «Aoka i Baala hiaro tena aminy, satria noravany ny ôteliny.»
Niainga i Abimeleka zanak’i Jerobaala, ka nankany Sikema amin’ireo anadahin-dreniny, ary nilaza izao teny izao tamin’ireo sy tamin’ny fokon’ny rain-dreniny rehetra:
Dia tonga tao an-trano-drainy, tany Efrà izy, ary namono ny rahalahiny fitopolo lahy zanak’i Jerobaala, teo ambonin’ny vato iray ihany. Tsy nisy afa-nandositra afa-tsy i Joatama, ilay faralahin’i Jerobaala, irery, satria niery io.