Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 8:15 - Baiboly Katolika

Tamin’izay dia nankao amin’ny mponina ao Sokôta i Jedeôna, ka nanao hoe: «Indreo eo i Zebea sy i Salmanà izay nanesoanareo ahy hoe: Efa voahazon’ny tananao sahady ve ny tanan’i Zebea sy i Salmanà, no hanome mofo izay miaramilanao sasatra izahay?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Avy eo dia nankany amin’ny mponina tao Sokota i Gideona ka niteny hoe: Indreo i Zebaha sy i Zalmona izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa eo am-pelatananao ankehitriny va ny tanan’i Zebaha sy i Zalmona no homenay mofo ny olonao efa reraka?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia nankany amin’ny mponina tao Sokôta i Gidehôna ka nanao taminy hoe: –Indreto i Zebaha sy i Tsalmonà izay nanesoanareo ahy hoe: «Ahoana moa izahay no hanome hanina ny tafikao efa reraka? Efa eo ambany fahefànao sahady angaha i Zebaha sy i Tsalmonà?»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia nankany amin’ny mponina tao Sokôta i Gidehôna ka nanao taminy hoe: –Indreto i Zebaha sy i Tsalmonà izay nanesoanareo ahy hoe: «Ahoana moa izahay no hanome hanina ny tafikao efa reraka? Efa eo ambany fahefànao sahady angaha i Zebaha sy i Tsalmonà?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Gideona dia nankany amin’ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon’ny tànanao ankehitriny va ny tànan’i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Gideona dia nankany amin'ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Avy eo dia nankany amin’ny mponina tao Sokota i Gideona ka niteny hoe: Indreo i Zebaha sy i Zalmona izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa eo am-pelatananao ankehitriny va ny tanan’i Zebaha sy i Zalmona no homenay mofo ny olonao efa reraka?

Jereo ny toko



Mpitsara 8:15
4 Rohy Ifampitohizana  

Nisambotra zazalahy anankiray amin’ny mponina ao Sokôta izy, nanontaniany, ka nosoratan’io ny anaran’ny lehibe sy ny loholona fitopolo lahy, ao Sokôta.


Dia nosamboriny ny loholona tao an-tanàna, ary rehefa nandray tsilo any an’efitra sy roy izy dia namaizany ny mponina tao Sokôta izany.


Ary ny mofoko mbamin’ny ranoko amam-biby fiompiko novonoiko ho an’ny mpanety ondriko ve, ka halaiko homena izay olona tsy fantatro niaviany?»