Hitako latsaka am-pahoriana, ny lain’i Kosàna, ary mihorohoro ny lay amin’ny tanin’i Moaba.
Mpitsara 7:24 - Baiboly Katolika Ary nandefa iraka i Jedeôna any amin’ny tendrombohitr’i Efraima rehetra, nanao hoe: «Midìna ianareo, ary tano alohan’izy ireo ny fitàna ny rano hatrany Betibera sy ny fitàna an’i Jordany». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary naniraka olona hitety ny tany be havoana any Efraima rehetra i Gideona mba hilaza hoe: Midìna hisakana ny Midianita ka baboy ny toerana misy rano eo alohany, hatrany Bety-Bara sy i Jordana. Dia nivory ny lehilahin’i Efraima rehetra ka namabo ny toerana misy rano hatrany Bety-Bara sy i Jordana. DIEM PROTESTANTA Ary nandefa iraka nankany amin’ny faritra manontolo be tendrombohitra any Efraîma i Gidehôna hilaza hoe: –Midîna ianareo hisakana ny Midianita ka mialohà azy hibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna hatrany Bety-Barà. Dia nivory ny vatan-dehilahy efraîmita ka nidina nibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna hatrany Bety-Barà. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nandefa iraka nankany amin’ny faritra manontolo be tendrombohitra any Efraîma i Gidehôna hilaza hoe: –Midîna ianareo hisakana ny Midianita ka mialohà azy hibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna hatrany Bety-Barà. Dia nivory ny vatan-dehilahy efraîmita ka nidina nibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna hatrany Bety-Barà. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan’i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin’ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana. Malagasy Bible Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan'i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana. La Bible en Malgache Ary naniraka olona hitety ny tany be havoana any Efraima rehetra i Gideona mba hilaza hoe: Midìna hisakana ny Midianita ka baboy ny toerana misy rano eo alohany, hatrany Bety-Bara sy i Jordana. Dia nivory ny lehilahin’i Efraima rehetra ka namabo ny toerana misy rano hatrany Bety-Bara sy i Jordana. |
Hitako latsaka am-pahoriana, ny lain’i Kosàna, ary mihorohoro ny lay amin’ny tanin’i Moaba.
Tany Betania an-dafin’i Jordany, izay nanaovan’i Joany batemy, no natao izany zavatra izany.
Avy mangataka aminareo, amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin’ny Fanahy aho, ry kristianina havana, hiara-miady amiko, amin’ny fivavahanareo amin’Andriamanitra ho ahy,
Fa izao ihany e: manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo; ary amin’izay, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo, fa hoe: maharitra amin’ny fanahy iray ianareo, sy miray fo miara-miasa hampandroso ny finoana ny Evanjely,
Dia azon’i Galaada ny fitàna an’i Jordany ao amin’ny lafin’i Efraima, ka raha misy mpandositra avy amin’i Efraima manao hoe: «Avelao kely aho mba hita», dia anontanian’ny lehilahin’i Galaada izy hoe: «Efraimita va ianao?»Ary mamaly manao hoe: «Tsia.»
Fa teo an-tananareo no natolotr’i Iaveh ny andrian’i Madiàna, Oreba sy Zeba. Ka zinona no mety ho vitako raha oharina aminareo?» Nony efa niteny izany izy, dia nionona ny hatezeran’izy ireo taminy.