Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 6:26 - Baiboly Katolika

Raha efa izany manorena ôtely eo an-tampon’ity fitoerana mimanda ity, ho an’i Iaveh Andriamanitrao, sy manamboara azy, ka alao ilay ombalahy faharoa, ary manolora sorona dorana amin’ny hazon’Aserah hokapainao.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia manorena alitara ho an’NY TOMPO Andriamanitrao eto an-tampon’ity toeram-piarovana ity ka amboary tsara araka izay tokony ho izy izany. Ary alao ilay ombilahy faharoa ka atolory ho fanatitra dorana manontolo amin’ny hazo avy amin’ilay tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay hokapainao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia manangàna alitara voamboatra tsara ho an’ny TOMPO Andriamanitrao eo an-tampon’io havoana io. Ary ento ny ombilahin-drainao ka atolory ho sorona dorana manontolo eo; ka ny tsatokazon-tsampy nokapainao no ataovy kitay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia manangàna alitara voamboatra tsara ho an’ny TOMPO Andriamanitrao eo an-tampon’io havoana io. Ary ento ny ombilahin-drainao ka atolory ho sorona dorana manontolo eo; ka ny tsatokazon-tsampy nokapainao no ataovy kitay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia manorena alitara eto an-tampon’ity fiarovana ity ho an’i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra odorana amin’ny hazon’ny Aseraha izay hokapainao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia manorena alitara eto an-tampon'ity fiarovana ity ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin'ny hazon'ny Aseraha izay hokapainao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia manorena alitara ho an’NY TOMPO Andriamanitrao eto an-tampon’ity toeram-piarovana ity ka amboary tsara araka izay tokony ho izy izany. Ary alao ilay ombilahy faharoa ka atolory ho fanatitra dorana manontolo amin’ny hazo avy amin’ilay tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay hokapainao.

Jereo ny toko



Mpitsara 6:26
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia tonga tao amin’i Davida i Gada tamin’izay andro izay, ka nanao taminy hoe: «Miakara ary manangàna ôtely ho an’i Iaveh any am-pamoloan’i Areonà Jeboseanina.»


Dia hoy i Areonà tamin’i Davida: «Aoka halain’ny mpanjaka tompoko izany, ary aoka hateriny ho sorona izay sitrany. Indreo ny omby hatao sorona dorana, ary ny rambaramba mbamin’ny jiogan’omby hatao kitay.


Fa horavanareo ny ôteliny; hazeranareo ny tsangam-batony; hokapainareo ny aserîmany.


satria Andriamanitra tsy mba Andriamanitry ny tabataba, fa Andriamanitry ny fiadanana.


fa indrindra: aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra.


Alin’iny ihany, dia hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Alao ny vantotr’ombalahin-drainao, ny ombalahy faharoa, ilay efa fito taona. Ravao ny ôtelin’i Baala izay an-drainao, ary kapao ny Aserah eo anilany.


Dia naka folo lahy tamin’ny mpanompony i Jedeôna ka nanatanteraka izay nolazain’i Iaveh taminy. Nefa tsy sahy nanao izany antoandro izy, fa natahotra ny ankohonan-drainy mbamin’ny olona tao an-tanàna ka alina vao nanao.


Tonga teo amin’ny sahan’i Jôsoe Betisamita ny sarety ka nijanona teo. Nisy vato lehibe teo, ka novakina ny hazon-tsarety dia nateriny ho sorona dorana ho an’i Iaveh ny ombivavy.