Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy: «Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko.»
Mpitsara 6:23 - Baiboly Katolika Hoy i Iaveh taminy: «Tomoera amim-piadanana, aza matahotra, fa tsy ho faty ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy NY TOMPO taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory. DIEM PROTESTANTA Hoy kosa ny TOMPO taminy; –Fiadanana anie ho aminao; aza matahotra, fa tsy ho faty ianao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy kosa ny TOMPO taminy; –Fiadanana anie ho aminao; aza matahotra, fa tsy ho faty ianao. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty hianao tsy akory. Malagasy Bible Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory. La Bible en Malgache Fa hoy NY TOMPO taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory. |
Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy: «Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko.»
Nony niala teo Fanoely izy, dia indro hitany niposaka ny masoandro; nitolitsika anefa izy tamin’ny foto-peny.
Ka hoy izy taminy: «Ho aminareo anie ny fiadanana, fa aza matahotra na inona na inona. Ny Andriamanitrareo, ny Andriamanitry ny rainareo no nanome anareo rakitra tao anaty lasàkanareo. Fa ny volanareo efa nomena ahy.» Dia nentiny nankeo amin’izy ireo i Simeôna.
Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.
Androtr’izay ihany, izany hoe harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’ireo hoe: «Ho aminareo anie ny fiadanana!»
Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tomà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: «Ho aminareo anie ny fiadanana!»
mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma, izay olo-masina voaantsony: ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.
Dia hoy ilay anti-dahy: «Ho aminao anie ny fiadanana; ary hovononiko avokoa izay ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja».
Dia fantatr’i Jedeôna fa Anjelin’i Iaveh iny ka hoy i Jedeôna: «Maty aho, ry Iaveh Tompo ô, fa nahita nifanatri-tava tamin’ny Anjelin’i Iaveh.»
Nanorina ôtely teo i Jedeôna ho an’i Iaveh ka nantsoiny hoe: Iaveh-Saloma; mbola ao Efràn’i Abiesera izany mandraka androany.