dia nanao hoe: «Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao,
Mpitsara 6:18 - Baiboly Katolika Aza dia miala eto Ianao mandra-piveriko eto aminao, mitondra ny fanatitro sy mandroso azy eo anoloanao.» Dia hoy i Iaveh: «Hiandry mandra-piverinao Aho.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Miangavy Anao mba tsy hiala eto mandra-piaviko hitondra fanatitra ka hapetrako eto anatrehanao izany. Dia hoy Izy: Eny, hiandry Aho mandra-piverinao. DIEM PROTESTANTA Aoka mba tsy hiala eto Ianao mandra-piveriko mitondra fanatitra izay tiako hatolotra eto anatrehanao. Ka hoy ny TOMPO hoe: –Hijanona eto Aho mandra-piverinao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aoka mba tsy hiala eto Ianao mandra-piveriko mitondra fanatitra izay tiako hatolotra eto anatrehanao. Ka hoy ny TOMPO hoe: –Hijanona eto Aho mandra-piverinao. Baiboly Protestanta Malagasy Masìna Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny. Izaho hiandry mandra-piverinao. Malagasy Bible Masina Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao. La Bible en Malgache Miangavy Anao mba tsy hiala eto mandra-piaviko hitondra fanatitra ka hapetrako eto anatrehanao izany. Dia hoy Izy: Eny, hiandry Aho mandra-piverinao. |
dia nanao hoe: «Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao,
dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan’aina, vao manohy ny dianareo ianareo, fa izany no nandalovanareo amin’ny mpanomponareo.» Dia hoy ny navalin’ireo: «Ataovy àry, araka izay voalazanao.»
Niambezo mafy tamin’izy ireo anefa i Lôta ka nivily nankao aminy izy, dia niditra tao an-tranony. Nanaovany sakafo tsara izy, sy nandrahoany mofo tsy misy lalivay, ka dia nihinana izy ireo.
Dia hoy i Manôe tamin’ilay Anjelin’i Iaveh: «Aoka re mba hohazoninay ianao sy hanamboaranay zanak’osy.»
Hoy i Jedeôna taminy: «Raha nahita fitia teo imasonao aho, mba omeo famantarana fa Ianao no miteny amiko.
Nony niditra i Jedeôna dia namboatra zanak’osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarina iray efah, ka rehefa nataony tao anaty harona ny hena, ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin’izay teo ambanin’ny terebinta ka natolony.