Nivoaka ny mpanjakan’i Israely; nasiany avokoa ny soavaly sy ny kalesy, ka nasiany tamin’ny fandresena mafy ny Sirianina.
Mpitsara 3:28 - Baiboly Katolika Hoy izy taminy: «Manaraha ahy, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tananareo ny fahavalonareo, ny Moabita.» Dia nidina nanaraka azy ireo, ka azony ny fitàna an’i Jordany tandrifin’i Moaba, ary notapahiny tsy hitan’olona na dia iray aza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy izy taminy: Manaraha ahy fa efa natolotry NY TOMPO eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona ka azony ny fitàna any Jordana mankany Moaba ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza. DIEM PROTESTANTA sady nanainga azy hoe: –Manaraha ahy fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny Môabita fahavalontsika. Dia nanaraka an’i Ehoda ireo, ka nandeha nibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna, ary tsy nisy Môabita navelany hita na iray aza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara sady nanainga azy hoe: –Manaraha ahy fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny Môabita fahavalontsika. Dia nanaraka an’i Ehoda ireo, ka nandeha nibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna, ary tsy nisy Môabita navelany hita na iray aza. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr’i Jehovah eo an-tànanareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitana any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza. Malagasy Bible Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza. La Bible en Malgache Hoy izy taminy: Manaraha ahy fa efa natolotry NY TOMPO eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona ka azony ny fitàna any Jordana mankany Moaba ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza. |
Nivoaka ny mpanjakan’i Israely; nasiany avokoa ny soavaly sy ny kalesy, ka nasiany tamin’ny fandresena mafy ny Sirianina.
Nanenjika azy ireo olona nihazo ny lalana mankany amin’ny fitàna an’i Jordany, ary vao tafavoaka ireny mpanenjika ireny dia nohidiana ny vavahady.
Ary hoy i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely: «Moa tsy efa nanafaka anareo va Aho, tamin’ny Ejiptianina sy ny Amôreana ary ny taranak’i Amôna, mbamin’ny Filistinina?
Dia azon’i Galaada ny fitàna an’i Jordany ao amin’ny lafin’i Efraima, ka raha misy mpandositra avy amin’i Efraima manao hoe: «Avelao kely aho mba hita», dia anontanian’ny lehilahin’i Galaada izy hoe: «Efraimita va ianao?»Ary mamaly manao hoe: «Tsia.»
Nandresy an’i Moaba izy ireo tamin’izany andro izany, tokony ho lehilahy iray alina, samy tomady sy mahery avokoa, ka tsy afa-nandositra na dia iray aza.
Nantsoin’i Baràka ho any Kedesy i Zabolôna sy i Neftalì, ka nisy lehilahy iray alina no rafitra nanaraka azy; ary i Debôrà nandeha niaraka taminy.
Dia izao no navalin’ilay namany manao hoe: «Tsy inona izany fa ny sabatr’i Jedeôna, zanak’i Jôasy, lehilahy Israelita; efa voatolotr’Andriamanitra eo an-tanany i Madiàna sy ny toby rehetra.»
Nony ren’i Jedeôna ny filazana ny nofy sy ny heviny, dia niankohoka izy; ka nony tafaverina tany amin’ny tobin’i Israely, dia hoy izy: «Mitsangàna ianareo, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika ny tobin’i Madiàna.»
Ary nandefa iraka i Jedeôna any amin’ny tendrombohitr’i Efraima rehetra, nanao hoe: «Midìna ianareo, ary tano alohan’izy ireo ny fitàna ny rano hatrany Betibera sy ny fitàna an’i Jordany».
Tamin’ny alin’izay, dia hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Mitsangàna ianao, ka midìna ho any an-toby, fa efa natolotro ho eo an-tananao izy.
ary ho fantatr’izao vahoaka rehetra izao fa tsy sabatra na lefona no amonjen’i Iaveh, fa Azy ny ady, ka efa natolony eo an-tananay ianareo.»