Dia naninjitra ny tanany havia i Aoda tamin’izay, nanatsoaka ny sabatra teny amin’ny andilany havanana, ary notrabarany tamin’io ny kibony;
Mpitsara 3:22 - Baiboly Katolika Ka ny lelan-tsabatra dia difotra mban-jarany ary nikatona teo ambonin’ny lelan-tsabatra ny taviny fa tsy notsoahiny tamin’ny kibony ny sabatra ary tafagorobaka hatrany an-damosiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka difotra mbamin’ny zarany ary voasaron’ny tavin’i Eglona ny lelan-tsabatra ary tsy notsoahiny tamin’ny kibony; ary niboroaka tany amin’ny fitombenany izany. DIEM PROTESTANTA Difotra mbamin’ny zarany sady voasaron’ny tavin’ity mpanjaka ny lelan-tsabatra, satria tsy notsoahin’i Ehoda teo amin’ny kibony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Difotra mbamin’ny zarany sady voasaron’ny tavin’ity mpanjaka ny lelan-tsabatra, satria tsy notsoahin’i Ehoda teo amin’ny kibony. Baiboly Protestanta Malagasy ary difotra mbamin’ny zarany, ka voasaron’ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin’ny kibony izy; ary niboroaka teo amin’ny vodiny izany. Malagasy Bible ary difotra mbamin'ny zarany, ka voasaron'ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin'ny kibony izy; ary niboroaka teo amin'ny vodiny izany. La Bible en Malgache ka difotra mbamin’ny zarany ary voasaron’ny tavin’i Eglona ny lelan-tsabatra ary tsy notsoahiny tamin’ny kibony; ary niboroaka tany amin’ny fitombenany izany. |
Dia naninjitra ny tanany havia i Aoda tamin’izay, nanatsoaka ny sabatra teny amin’ny andilany havanana, ary notrabarany tamin’io ny kibony;
Ny tohatra any ivelany no nivoahan’i Aoda, ary ny varavaram-ben’ny trano ambony nohidiany tamin’ny karetsaka.