Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 21:23 - Baiboly Katolika

Dia nataon’ny taranak’i Benjamina izany, samy naka vady ho azy tamin’ny mpandihy nosamboriny, araka ny isany, izy ireo; ary niainga hody amin’ny lovany, dia nanorina ny tanànany indray sy nonina teo izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanao izany ny taranak’i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin’ny mpandihy izay nosamboriny; dia lasa izy ireo niverina ho any amin’ny lovany ary nanangana indray ireo tanàna ka nonina tao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nanaraka io torohevitra io ny lehilahy benjaminita ka samy nisambotra vehivavy ho vadiny araka ny isany tamin’ireo tovovavy nandihy tao Silao; ary lasa niverina tany amin’ny zarataniny avy izy ka namboatra ny tanànany sy nonina tao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nanaraka io torohevitra io ny lehilahy benjaminita ka samy nisambotra vehivavy ho vadiny araka ny isany tamin’ireo tovovavy nandihy tao Silao; ary lasa niverina tany amin’ny zarataniny avy izy ka namboatra ny tanànany sy nonina tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nanao izany ny taranak’i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin’ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin’ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nanao izany ny taranak'i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin'ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin'ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanao izany ny taranak’i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin’ny mpandihy izay nosamboriny; dia lasa izy ireo niverina ho any amin’ny lovany ary nanangana indray ireo tanàna ka nonina tao.

Jereo ny toko



Mpitsara 21:23
2 Rohy Ifampitohizana  

Dia niverina tany amin’ny taranak’i Benjamina indray ny lehilahy amin’i Israely, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra avokoa hatramin’ny tanàna, na olona na biby fiompy, ka hatramin’izay rehetra hitany tany. Ary nodorany tamin’ny afo avokoa ny tanàna rehetra hitany.


Tamin’izany andro izany dia niala teo ny zanak’i Israely, samy ho any amin’ny fokony sy ny fianakaviany; samy nody avy eo ho any amin’ny lovany avy. Tsy nisy mpanjaka teo amin’i Israely tamin’izany andro izany, fa samy nanao izay tsara...