Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 20:8 - Baiboly Katolika

Indray nitsangana, toy ny olona iray ihany, ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: «Tsy hisy hiverina any an-daintsika akory isika na hody any an-tranontsika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka niteny hoe: Tsy hisy hankany amin’ny tranolaintsika isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nitsangana toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: –Tsy hisy olona hiverina any an-dainy na hody any an-tranony isika.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nitsangana toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: –Tsy hisy olona hiverina any an-dainy na hody any an-tranony isika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hankany amin’ny laintsika akory isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika akory.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hankany amin'ny laintsika akory isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika akory.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka niteny hoe: Tsy hisy hankany amin’ny tranolaintsika isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika.

Jereo ny toko



Mpitsara 20:8
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny manaraka ny rariny sy ny hitsiny, no tsara eo imason’i Iaveh mihoatra noho ny sorona.


Izay rehetra azon’ny tananao atao, dia ataovy amin-kerim-po; fa tsy misy asa na fahalalana na fahaizana, na fahendrena any amin’ny Seoly izay halehanao.


Dia nivoaka ny zanak’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea sy ny tany Galaada; ka nivory teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà, toy ny olona iray ihany, ny fiangonana.


Toy izany no nivorian’ny lehilahy rehetra amin’i Israely, tafakambana toy ny olona iray ihany, hamely ny tanàna.


Koa indreo ao ianareo zanak’i Israely rehetra, mifampilà saina ianareo, ary tapaho eto ihany izay hevitra».


Izao kosa ankehitriny no hataontsika amin’i Gabaà: Araka ny filokany no hamelezana azy.


Tany Masfà nianiana ny lehilahy amin’i Israely nanao hoe: «Tsy hisy hanome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjaminita isika».


Ary hoy ny zanak’i Israely: «Iza amin’ny fokon’i Israely rehetra no tsy niakatra namonjy ny fiangonana teo anatrehan’i Iaveh?» Fa efa nisy voady natao ampahibemaso, namely an’izay tsy hiakatra hankany amin’i Iaveh any Masfà manao hoe: «Hoheloin-ko faty izy.»