Raha tsy namelan’i Iavehn’ny tafika ambiny kely sisa isika, dia ho sahala amin’i Sôdôma, hanahaka an’i Gômôra.
Mpitsara 20:47 - Baiboly Katolika Ny enin-jato lahy niamboho sy nandositra nankany an’efitra, any amin’ny haram-baton’i Remôna dia nitoetra tao amin’ny haram-baton’i Remôna efa-bolana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa nisy eninjato lahy nitampody ka nandositra nankany an-tany efitra ho any amin’ny harambato any Rimona, dia nitoetra efa-bolana tao. DIEM PROTESTANTA Na izany aza, dia nisy eninjato lahy tamin’ireo nitodi-doha nandositra nankany an-taniefitra no afaka nitsoaka ihany ka tonga tao amin’ny harambaton’i Rimôna ary nitoetra tao efa-bolana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Na izany aza, dia nisy eninjato lahy tamin’ireo nitodi-doha nandositra nankany an-taniefitra no afaka nitsoaka ihany ka tonga tao amin’ny harambaton’i Rimôna ary nitoetra tao efa-bolana. Baiboly Protestanta Malagasy Fa nisy enin-jato lahy nihodina ka nandositra nankany an-efitra ho any amin’ny harambato any Rimona, dia nitoetra tao efa-bolana. Malagasy Bible Fa nisy enin-jato lahy nihodina ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona, dia nitoetra tao efa-bolana. La Bible en Malgache Fa nisy eninjato lahy nitampody ka nandositra nankany an-tany efitra ho any amin’ny harambato any Rimona, dia nitoetra efa-bolana tao. |
Raha tsy namelan’i Iavehn’ny tafika ambiny kely sisa isika, dia ho sahala amin’i Sôdôma, hanahaka an’i Gômôra.
Ry Iaveh ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, aoka hanao ihany Ianao ho voninahitry ny Anaranao; fa maro ny hadisoanay; nanota taminao izahay.
Iaveh ô, nandre izay nampandrenesinao aho, dia raiki-tahotra aho, Iaveh ô! Velomy ny asanao amin’ny taona mifandimby; ataovy fantatra amin’ny taona mifandimby izy. Na eo amin’ny hatezeranao aza, mahatsiarova ny hamindra fo.
Hovana ho tany lemaka ny tany rehetra, hatrany Bagaà ka hatrany Remôna, eo atsimon’i Jerosalema. Ary hasandratra sy hipetraka amin’ny toerany i Jerosalema, dia hatreo amin’ny vavahadin’i Benjamina ka hatreo amin’ny fitoeran’ny vavahadin’ny Zoro, ary hatreo amin’ny tilikambo Hananeely ka hatrany amin’ny famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
Dimy arivo sy roa alin-dahy mahatan-tsabatra no tontalin’ny Benjaminita maty tamin’izany andro izany, samy lehilahy mahery avokoa.
Dia niverina tany amin’ny taranak’i Benjamina indray ny lehilahy amin’i Israely, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra avokoa hatramin’ny tanàna, na olona na biby fiompy, ka hatramin’izay rehetra hitany tany. Ary nodorany tamin’ny afo avokoa ny tanàna rehetra hitany.
Ary ny fiangonana rehetra nandefa iraka hiteny amin’ny taranak’i Benjamina, tany amin’ny haram-baton’i Remôna sy hanambara ny fihavanana amin’izy ireo.